Andriamifidisoa Zo · Febroary, 2010

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Febroary, 2010

Rosia: mamantatra ny toerana misy ny bus eo noho eo

Akon  16 Febroary 2010

Ny fitantanana ny tanànan'i Ryazan [ENG] any Rosia Afovoany no voalohany any amin'ity firenena ity nametraka sarintanin'ny fivezivezen'ny fiara fitaterana [RUS] hoy ny tatitry ny gov-gov.ru. Azo arahina amin'ny alalan'ny aterineto eo noho eo manko ny fiara fitaterana noho ny fisian'ny fitaovana GPS any anatin'izy ireny tsirairay avy. Alexey Sidorenko

Ejipta: Alaivo aloha ny Corolla-nareo

  16 Febroary 2010

Manamarika i Zeinobia fa nanery ny Toyota Ejipta haka ny sasany amin'ny maodeliny avy any amin'ny fivarotana fiara ny Sampana Ejipsiana miaro ny mpanjifa mba hanitsy ireo Toyota manana fahasimbana fa anjaran'ny orinasa ny fandaniana amin'izany. Eman AbdElRahman

Costa Rica: Rantin-tsary nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena

  14 Febroary 2010

Nanokana rantin-tsary [es] momba ny fifidianana notontosaina tamin'ny 7 febroary 2010 teo ka nahalany an'i Laura Chinchilla ho vehivavy voalohany ho filoha teo ny vondrona mpaka sary Kostarikana antsoina hoe “Nomada Colectivo” (Vondrona Mpivezivezy). Nanaraka ny arabe ity vondrona ity hipika ny zava-nisy nandritra ny androm-pifidianana. Saripika avy amin'ny Vondrona...

Brezila: Rakitsary Campus Party 2010

  13 Febroary 2010

Lasa Ambohipihaonan'ny mpankafy, manampahaizana ary mavitrika amin'ny resaka aterineto i São Paulo tamin'ny volana lasa teo, nandritra ny Fihaonan'ny Anjerimanontolo (na Campus) Breziliana. Nisy fihaoana momba ny LAN, ny teknolojia, ary ny kolontsaina nomerika tao nanombokany 25 ka hatramin'ny 31 janoary 2010. CampusPartyMT [pt] moa dia iray amin'ireo bolongana nitatitra...

India: fahafatesana fiteny efa nisy nialoha ny tantara voasoratra

  10 Febroary 2010

Nodimandry tao amin'ny nosy Andaman (anisan'i India) ny mpiteny Bo fahagola farany, Boa Senior, tamin'ity volana febroary 2010 ity. Manamarina miharihary ny tatitra nataon'ny UNESCO tamin'ny herintaona indrindra izany, izay nampitandrina fa fiteny 2500 no ahiana hanjavona. Lahatsary: Boa Senior mihira amin'ny fiteniny Bo, hita tao amin'ny Survival International Ao...

Okraina: “Raha toa moa ka orinasam-panjakana ny Google…”

  05 Febroary 2010

Manadrohadro ny asam-panjakana Okrainiana sy ny fahelany amin'ny asany amin'ny alalan'ny lahatsoratra etsy ambany (UKR; Nadikan'ny mpampiasa LJ grosman ho amin'ny teny rosiana ato izany) ny mpampiasa LJ (Live Journal) mipetraka any Lviv dali_bude raha manoratra hoe tahaka ny ahoana tokoa moa no hitranga amin'ny karoka Google raha toa ka...