Andriamifidisoa Zo · Oktobra, 2008

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Oktobra, 2008

Ezypta: Voafonja asesika toy ny Sardine

  15 Oktobra 2008

Gadra atao antontany ao anaty baravy? Nampiseho fanitsakitsahana zon'olombelona ao amin'ny bolongany malaza Misr Digital indray ilay Ezipsiana mpamaham-bolongana Wael Abbas efa nandrombaka loka. Wael no manazava: هذه الصورة أرسلت إلي عن طريق المسنجر وقد إلتقطت بالتليفون المحمول لغرفة الحجز في أحد أقسام الشرطة – لا نعرف أي قسم حتى...

Iran: fitokonana noho ny hetram-barotra vaovao

  15 Oktobra 2008

Nitokona ho fanoherana ny hetra momba ny varotra 3% vaovao – na fanampin-tsandan-ketra nandritra ny roa volana ny mpivarotra any amin'ny Bazariben'i Teheran, sy ireo any amin'ny bazarin'ny tanàna lehibe Iraniana tahaka an'i Tabriz, Isfahan ary Mashad. Nahanton'ny fitondrana moa ny fampiharana ilay lalàna, ary manondro ny mpitatitra sasany fa...

Japana: Fijery momba ny olan'ny Wall street

  06 Oktobra 2008

Niteraka sahoan-dresaka maro dia maro tany amin'ny tontolom-bolongana japoney noho ny fifandraisana akaiky misy eo amin'ny firenena sy ampita atsinanan'ny ranomasina misy azy ny olan'ny fihitsanam-bidy, ny fanentsenana ny fatiantoka ary ny fividianana taratasim-bola mifanaretsaka any amin'ny bankim-pandraharahana ao amin'ny Wall Street, izay mandrahona hiteraka fitotongan'ny toe-karena amerikana mety hipaka...

Venezoelà: Kiraron'ny tanora sosialisitra toa efa mahazatra

  06 Oktobra 2008

Simón Bécquer avy ao amin'ny Alternative Reality blog ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe Ny  kiraro Converse ho an'ny tanora Sosialisitra [teny esipaniolona] no mampiseho antsika sary fanentanana ny tanora venezoeliana, izay ahitantsika tanora ampanaovina kiraro sosialisitra. Na izany aza, hita ho manana endrika mahazatra hafahafa ihany ilay kiraro...

Chili: Mpianatra namoaka lahatsary fohy momba ny “fitandrohana”

  06 Oktobra 2008

Mpianatra ao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa manokana no namoaka lahatsary fohy mitondra ny lohateny hoe "Mitandroka (Bullying)" mba hizarany ny fomba fijeriny momba ny famonoantena eo amin'ny tanora sy izay mety ho antony hanaovana izany. Tamin'ny alalan'ny fihetsiky ny vatana sy ny tava maneho hevitra no tena nandefasany ny hafatra, handravana ny elanelanan'ny tsy fifankahazoana fitenenana ka nataony izay hahazoan'ny rehetra ny lahatsary fohy novokariny.

Kolombia: Mpilalao golf lasa reharehan'ankizy

  06 Oktobra 2008

Ao amin'ny Good Times in Medellin (fotoana mahafinaritra ao Medellin), no anoratan'i Medellin Travel fa manana olona vaovao azo atao fitaratra ny ankizy Kolombiana: 26 taona ilay mpilalao star Camilo Villegas, izay nahazo ny matoam-baovaon'ny haino aman-jery raha nandrombaka ny BMW Championship PGA Golf Tour tamin'ny volana lasa, izay vao...

Palestina: Tolokon'i Jerosalema

  06 Oktobra 2008

Mitanisa ny zavatra mahakivikivy azy tao ho ao izay iVika, izay monina any Jerosalema, ary anisan'izany koa ny  zavatra vao najoro vao haingana: “Mihatra amin'ny taolana ny maharary ahy tamin'ity volana ity raha vao fantatro fa hay ity katrokatroka sy ny tombotomboka mafy dia mafy re nandritra ny fotoanan'ny hafanana...

Azerbaijan: Bolongana mpanaramaso ny fifidianana Eoropeana iray

  06 Oktobra 2008

Eny an-dalana ho any Azerbaijan i The Continuing Adventures of Super Steve (Ny tohin'ny tantaran'ilay mahery Steve) hanaramaso ny fifidianana ho filoham-pirenena any amin'io firenena io amin'ny 15 Oktobra ho avy izao. Milazalazazava-bitsivitsy momba an'Azerbaijan ho an'ny mpamakiny ny bolongana ary manambara ihany koa ny fomba  fiasan'ny vondrona iraisam-pirenena OSCE/ODIHR mpanaramaso...

Nepal: Ilay praiminisitra mpioko

  06 Oktobra 2008

Minerva's Crossing no sondriana tamin'ny kabarin'ny praiminisitra, sady lehiben'ny mpioko taloha,  Pushpa Kamal Dahal (Prachanda) nataony tao New York ary nanambara hoe: “afa-miova ny vondrona mpioko, rehefa vonona ny hiroso ho amin'izany”.