Andriamifidisoa Zo · Marsa, 2008

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Marsa, 2008

Frantsa: Night Club Malagasy vaovao

  20 Marsa 2008

harinjaka no mitatitra ny fisiana toeram-pihaonana amin'ny alina sy fandihizana natokana ho an'ny Malagasy (night club) vaovao [Fr] iray any Marseille: “Fantatro avy amin'ny traikefa niainako manokana fa tsy mora ny miditra club eto (Frantsa),  indrindra fa hoe mainty ianao na arabo…Tsy ny Queen no lazaiko eto fa club iray...

yemen: tsy misy izany herisetra amin'ny vehivavy izany

  20 Marsa 2008

Omar Barsawad no miady hevitra momba ny herisetra sy ny fihoara-pahefana mianjady amin'ny vehivavy any yemen ka manontany hoe:”Efa nitsidika namana sy namangy havana tany amin'ny faritry Yemen hafa aho – fa tsy nahita na nahamarika izany fihoara-pahefana manjaka tantarain'ny lahatsoratra maro izany. …Dia manontany aho hoe faritra aiza eto...

Arabia Saodita: Roa no maty noho ny fanenjehan'ny polisy

  20 Marsa 2008

“Tovolahy iray sy tovovavy iray no maty tamin'ny lozam-piarakodia nampihoronkoditra iray raha nenjehin'ny polisy avy ao amin'ny vaomieran'ny fampielezana ny fahadiovam-pitondrantena sy fisorohana ny faharatsiana tany avaratry ny tanànan'i Tabuk izy ireo” hoy ny tatitry Saudi Jeans.

Orogoay : Fanontaniana ho an’ny vohikala mpizara rakikira sy sary iray

  20 Marsa 2008

Soratry ny tonia: Ity lahasoratra manaraka ity dia nadika avy tamin’ny fampiresahan’ny mpamaham-bolongana Orogoaiana, Martin Balao. Ilay mpamaham-bolongana manana ny anaram-bositra hoe E1000 izay iray amin’ny Olobe ao anatin’ny fikambanana Fotos de Uruguay [es] (Sarin’I Orogoay) no noresadresahany tamin’izany, fikambanana niainga tamin’ny fifampizarana sary tamina vohikala izay efa ahafahana itrohana...

Maraoka: afaka i Fouad Mourtada

  19 Marsa 2008

Noafahana ora iray izay i Fouad Mourtada, Injeniera momba ny fifandraisandavitra (aterineto koa) ary 26 taona raha nosamborina tamin'ny 5 febroary 2008 lasa teo sady nohelohina higadra telo taona sy handoa onitra $1350 noho ny nametrahany tamin'ny fomba tsy ara-dalàna (izany hoe karazany sandoka) ny mombamomba ny zandry rahalahin'i Mpanjaka Mohammed...

Armenia: Kolontsaim-panoherana

  19 Marsa 2008

Nanoratra ny heviny momba ny taratasy misokatra nosoratan'olomalaza dimy any amin'ny taranjan-kolontsaina manavanana azy avy ka voasoratra ao ny toe-draharaha politika any Armenia i Unzipped. The signatories Nanolo-kevitra ny hisiana fifidianana solombavambahoaka vaovao indray ireo mpanao sonia hamahana ny olana nateraky ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 19 Febroary lasa teo ka...

Tonga soa ny GVO dika teny Alemana, Albaniana ary Masedoniana

18 Marsa 2008

Faly dia faly ny Global Voices Lingua milaza aminareo anio fa misokatra amin'ny fomba ofisialy anio ny teny Alemana, Albaniana ary Masedoniana. Pejy vaovao indray no misokatra anio. Nahavory vondron'olona tonian-dahatsoratra sy mpanolotena handika teny maro mazoto sy mavitrika tokoa izahay hatramin'ny nanombohan'ity Lingua na teny maro ity, Ren'ny vahoaka...

Kioba: Tsy hisy ny sakana?

  16 Marsa 2008

Child of the Revolution (Zanaky ny Revolisiona) no misalasala raha mitodika amin'ny vaovao manambara fa “Afaka ny hividy kojakojam-pitaovana elekitironika tsy misy fanakatsakanana amin'izany ny Kiobana ” ho mari-pamantarana ny fivoaran'ny politika any.

Armenia: Valintenin'ny mpitondra fanjakana

  16 Marsa 2008

Unzipped no mitatitra fa efa nivoaka ny filazana ofisialy momba ilay lahatsary niparitaka  nampiseho ny sampan'ny mpitandrony filaminana nitifitra mivantana teo anoloan'izy ireo ankoatra ny fitarainana nataon'ny mpitondra fanjakana. Nolazain'ny bolongana ary fa mitady ny fanamarinana avy amina tsy miankina ny mpanadihady (mpitsara), na izany aza dia efa nametraka ny...