Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Andriamifidisoa Zo · Janoary, 2020

Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.

Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.

imailaka Andriamifidisoa Zo

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Janoary, 2020

Mpandraharaha ao Hong Kong manome vahana ny fotokevitra pro-demaokrasia

Maro ny mihevitra fa fitaovam-piadiana matanjaka ny hery aratoekarenan'ny olompirenena hampisy fiovana ara-politika misy dikany ho an'ny tanàna.

Faniriako Krismasy i Hong Kong afaka: Ahoana ny fampiasan'ny mpikatroka karatra fandefa fety ahafahana mamoaka ny teny

Maro ireo olona manao volantera handika an-tsoratra ireo fiarahabana fety amin'ny fiteny samihafa sy hanoratra taratasy mitovy rafitra ho an'ny olona manana fiaviana sy saranga samihafa.

Iza no namotika ny fandriampahalemana sy ny hafaliana krismasy tao Hong Kong?

Sady tsy nilamina no tsy nahafaly ny krismasy tao Hong Kong raha miezaka mandeha amin'ireo distrika lehibe fiantsenana ny polisy misahana ny rotaka mitondra fitaovam-piadiana enti-miady amin'ny rotaka hanaparitahana ireo fihetsiketsehana tselatra ho fanoherana. Hatramin'ny 28 Desambra teo, hatramin'ny 336 ny isan'ny olona nosamborina.