Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Andriamifidisoa Zo · Avrily, 2019

Bilaogera amin'ny teny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.

Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.

imailaka Andriamifidisoa Zo

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Avrily, 2019

13 Avrily 2019

Fantaro i Ursula Zage, mpitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 10-16 Aprily

Rising Voices

Ndao hofantarina bebe kokoa ny momba an'i Ursula Zage, mailaka dia mailaka amin'ny fitenenana sy fanoratana teny anglisy saingy miboredika tanteraka kosa rehefa amin'ny fiteny Twi niaviany. Fahatsapana izay iraisany amin'ny tanora sy ankizy maro ao Ghana. Aiza ho aiza moa ireo tanora sy ankizy ao Madagasikara?

09 Avrily 2019

Iza moa i Janet Chávez Santiago, hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 8 – 14 Avrily

Rising Voices

Fantaro bebe kokoa ny momba an'i Janet Chávez Santiago, hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas Twitter mandritra ny herinandron'ny 8-14, Avrily 2019 ao amin'ny fanentanana vaovao amin'ny media sosialy mifantoka amin'ny fimaroam-piteny an-tserasera.

01 Avrily 2019

#WelcomeHomeAlaa: Navotsotra i Alaa Abd El Fattah, mpikatroka, rehefa nigadra dimy taona

GV Mpisolovava

Feo mpitarika i Alaa teo amin'ny bilaogera ejiptiana sy mpikatroky ny teknolojia tao Kairo rehefa antomotra sy nandritra ny revolisiona ejiptiana.