Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Andriamifidisoa Zo · Septambra, 2015

Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.

Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.

imailaka Andriamifidisoa Zo

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Septambra, 2015

Tanora Stalinista manimba ny endriky ny tsangambato vaovaon'ny ‘mpamadika’ Aleksandr Solzhenitsyn

Tanora Stalinista iray monina ao Vladivostok no nanova endrika ny tsangambatin'ilay mpanoratra hanazo loka Nobel antsoina hoe Aleksandr Solzhenitsyn, tamin'ny fanantonana sora-baventy mivaky hoe “JODASY” nampiambozonana an'i Solzhenitsyn.

Tadiom-bovoka mandrakotra an'i Palestina, Isiraely, Jordania, Syria ary Libanona

Misy tadiom-bovoka goavana manavatsava ny ilany andrefana amin'i Afovoany Atsinanana omaly sy anio. Indreto ny sary sasantsasany nifampizarana mampiseho ny vaikany

Fanohizana sa fiovana no hofidian'i Singapaoro?

"Hitanay ihany koa ny fisian'ny ampahany maro amin'ny taranaka tanora izay mahatsapa fa tsy maintsy atao ny fiovana,"

Nidina an-dalambe hanohitra ny kolikolin'ny governemanta sy ny tsy fisian'ny servisy tsotra indrindra ny Irakiana

Manao fihetsiketsehana isan-joma hanoherna ny kolikolin'ny governemanta sy ny tsy fisian'ny tolotra tsotra indrindra sy fototra ny Irakiana an'arivony enina herinandro nitabatabana izao, hoy ny nosoratan'i Anne Koopman

Ahoana No Ahafahanao Manampy ny Syriana Sy Ny Mpitsoa-ponenana (Hafa)

Ny krizin'ny mpitsoa-ponenana ao Eoropa no nahatonga ny maro nanontany ny fomba handefasana vola fanampiana mivantana sy ny fifantohana amin'ny Syriana sy mpitsoaponenana hafa.

GV Face: Ahoana ny hanokafan'ny mpanampy antsitrapo ao Eoropa ny fony sy ny tranony ho an'ny mpitsoaponenana

Raha mitolona mafy hamaha ny fiakaran'ny krizin'ny mpitsoaponenana ao Eoropa ny governemanta, dia mifandamina kosa ny olompirenena any Gresy, Alemaina, ary Hongria ary manokatra ny varavaran'ny tranony mihitsy aza hampiatranoana ny mpitsoaponenana.

Syriana mpitsoaponenana ao Torkia aho, saingy nanapakevitra ny hody an-tanindrazana

Koa satria heniky ny tatitra misy ireo mpitsoaponenana mananda ny fiainany hiampita an'i Eoropa ny vaovao, dia misy Syriana Kiorda iray izany nahazo fialofana tao Torkia nanapa-kevitra ny hiverina hody.

Niala ny filoha Goatemalteka rehefa nivoaka ny didy fampisamborana

Rehefa niala teo amin'ny toerana maha-filohan'i Goatemalà azy i Otto Pérez Molina dia nitolo-tena teo amin'ny fitsarana ary nalefan'ny mpitsara tany amponja mandrapivoaka ny fehinteny manaporofo ny anjara andraikiny amin'ny kolikolim-padintseranana aminà tapitrisa dolara

Fankahalambahiny atrehin'ny Syriana mpitsoaponenana iray mikasa ho any Eoropa

"Te-ho voakarakara any Alemaina aho. Efa tany amponjan'ny fitondrana 3 andro, fonjan'i Nusra 70 andro. Arabia Saodita 7 andro, Fanjakana Islamika 2 andro.," hoy ilay Syriana mpitsoa-ponenana, mikasa ny handositra any Eoropa.

Fantaro ireo lehilahy afa-nidify ireo polisy miafin'ny volombava ao Tajikistan

Nahavariana fa tsy misy amin'izy ireo no manaraka ny fomban'ny Miozolomana.