Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Desambra, 2014
‘Tsy Hanakana’ Navalny ao Rosia ny Facebook sy Twitter, Raha Manao izay Hanakanana Ny Fanononana ny Hetsi-panoherana i Kremlin
Nitatitra ny Tv Rain fa nanapa-kevitra ny tsy hanakana izay pejim-pihetsiketsehana Navalny intsony ny Facebook sy ny Twitter, ary mahafantatra ireo fa mety hampisy ny fanakanana ny tranonkala iray manontolo izany.
Tilikambo Manerinerina Manimba ny Sarin'ny Maherifon'ny Firenena ao Filipina
Trano manana rihana 49 an'ny "Torre de Manila" [tilikambon'i Manila] izay nahazo anaram-bositra "Terror de Manila" [horohoron'i Manila] avy amin'ny mpanakiana noho ny fandravàny ny fijerena ny tsangambaton'i Rizal ao amin'ny Luneta Park.
Nosakanana Tsy Ho Hita ao Rosia Ny Hetsika Famoriam-Bahoaka Facebook Hanohanana an'i Navalny
Andro iray monja taorian'ny nananganan'ny mpanohana ny fitsikerana an'i Putin sy mpanohana ilay fanta-dazan'ny fanoherana Alexey Navalny hetsika pejy Facebook hikarakarana hetsika famoriam-bahoaka dia voasakana tsy ho hitan'ny mpisera ao Rosia ny pejy.
Ny Vola 60 Tapitrisa Dolara avy any Washington Ho Fampiroboroboana ny Demokrasia Rosiana dia ‘Fandrisihana Amin'ny Ankapobeny’
Niteny ny loharanom-baovao ao Washington,“Ny fitenin'ny fahazoan-dalana dia fandrisihana amin'ny ankapobeny, ary tsy manantena ny vokany ho fakana ho fananana vaovao ny seha-mpampitam-baovao Rosiana na ny firaisamonim-pirenena Rosiana.”
Mpiasa Ao Rosia Avy Any Azia Afovoany Tezitra Amin'ireo Vehivavy Mpiray Tanindrazana Aminy ho ‘Manala Baraka ny Firenena’
Sary nalaina tany Rosia ahitana ireo vehivavy manao asa fivarota-tena alain'ireo lehilahy mpiray tanindrazana aminy baraka no lasa malaza an-tserasera. Miampanga ireo lasibatra ho manosihosy ny voninahitry ny tanindrazany ireo lehilahy ireo.
Endriky Ny Fitateram-Bahoaka Azia Atsimo-Atsinanana An-tsaripika
Mpitondra môtô tsy manao aroloha, jeepneys mavesatra loatra, ary mpandeha fiaran-dalamby ambonin'ny tafon'ny kalesy no sasantsasany amin'ny fiara fitateram-bahoaka mahazatra hitantsika an-dalamben'i Azia Atsimo-Atsinanana.
Meksikana Mpanao Fihetsiketsehana Nanapaka ny Lanonam-Panomezana ny Loka Nobel. Ahoana Hoy ny Reniny?
Araka ny rahalahiny, nanantena i Cortés ny hisarika ny saina amin'ny fanjavonana sy ny filazana fa famonoana faobe nahazo ny mpianatra miisa 42 ao Ayotzinapa ao Meksika.
Tranomboky Kely Mahefa Be ao Grenada
Miteraka zavatra tsara eo amin'ny fiainan'ny tanora ao Grenada sy ny fahaizana mamaky teny ny fijoroan'ny tranomboky Mt. Zion ao afovoan'i St. George's.
Arahabaina Nahatratra Ny Folo Taona Ry Global Voices!
Feno folo taona katroka androany 11 desambra ny Global Voices. Andao hotohizana ny fankalazana!
Izao no Endriky ny Global Voices Rehefa Tsy Misy Mpirotsaka An-tSitrapo
Amin'ity Andro Iraisampirenena ho an'ny Mpirotsaka an-tsitrapo ity dia manome haja ireo mpirotsaka an-tsitrapo an-jatony miasa mafy ato amin'ny Global Voices hanome ireo tantara tsy mba voatantara tsara ao amin'ny lafintany misy azy izahay.