Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Avrily, 2014
Mpiasa 337 No Safotra Tao Amin'ny Orinasa Fanenonan-Damba Tao Kambodza Tamin'ny Herinandro
Ny faharatsian'ny toetry ny asa no miteraka ny fahatoranana faobe nahazo ny mpiasa 200 tao amin'ny orinasa fanaovana akanjo any Kambodza.
Hira Fandrotsirotsiana Zaza Avy Amin'Izao Tontolo Izao : Iza No Ironanao?
Tsy natao ho an'ny zazamenavava fotsiny ny hira fandrotsirotsiana fa natao ho an'ny efa lehibe ihany koa. Ampidiro ao amin'ny fampihatra vaovaon'ny PRI izay antsoina hoe The World's Lullabies ny feo mandrotsirotsy avy aminao.
Gadra Ao Amin'ny Fonjan'i Korydallos Any Gresy Namono Tena
Nampiasa ny Twitter ny voafonja hampielezana ny toe-draharaha iainan-dry zareo any am-ponja, mampihoron-koditra loatra ka nahatonga ny mpampanoa lalàna iray handà tsy hiditra hanao ny fanarahamaso any amin'ny toera-pitsaboan'ny fonja satria “manana ankohonana” izy.
Habal-Habal: Moto Any Philippine Mahazaka Mpandeha Hatramin'ny 10
Mahazaka mpandeha 10 ve ny moto iray? Eny raha any Philippines ianao fa any ny kodiaran-droa misy motera ampiasaina ho fitateran'olona any an-tanàna ambanivohitra
Fanomezana No Manome Aina Ny TV Mpanohitra
Nahafahana manapariaka sary mihoatra kely ny 53 andro ny telethon naharitra herinandro nanomboka hatramin'ny faran'ny faran'ny volana
Okrainiana Vehivavy Manao Ankivy Tsy Hanao Amin'ny Rosiana Lehilahy
Nisy fanaovana ankivy vaovao niainga tao Okraina izay nanaitra ny fifantohan'ny Rosiana mpisera aterineto. Nisy Okrainiana vehivavy nanao fanentanana vaovao manao hoe “Aza omena ny Rosiana”—fanaovana ankivy tsy hanao firaisana ara-nofo amin'ny Rosiana lehilahy.
Hetsika Kongresy Voabodo Ao Taiwan, Voadika
Nifamory amin'ny alalan'ny Facebook ny mpandika lahatsoratra anjatony handika amin'ny fiteny hafa ny tantaran'ny fibodoan'ny mpanao fihetsiketsehana ny lapan'ny fanaovan-dalàna ao Taiwan taorian'ny fandaniana ny fifanarahana ara-barotra miaraka amin'i Shina.