Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Aogositra, 2013
Ny Fanenjehan'ny Fitondrana Shinoa Ireo Tranonkala Mahaleotena “Tsy Ara-dalàna”
Maro ny habaka no nakatona satria tsy nahazo lisansa, na lazaina fa misoloky andrim-panjakana na manampahefana, amin'ny fampiasana voambolana tahaka ny hoe "Shina" na "vahoaka" amin'ny anarany.
Hetsi-panoherana Makedoniana Manoloana Ny Fanesorana Hazo Ao Skopje
Nisy fiitarany tahaka izay efa nitranga tao Torkia sy Serbia ny hetsi-panoherana niainga tamin'ny fanapahahana hazo vitsivitsy.
Fanahiana Fisian'ny Hosoka Bevava Tamin'ny Fifidianana Tao Kambodza
Saingy nahazo toerana maromaro kokoa ny mpanohitra sady navitrika tamin'ny fampieleza-kevitra ho amin'ny fiovana ny tanora
Mpikatroka Saodiana Navotsotra Rehefa Nigadra Roa Taona
Voaheloka noho ny fananganana fikambanana tsy nahazo alalana sy fananana boky maro tsy ara-dalàna i Mohamed el-Bjadi izay navoaka ny fonja saodiana androany. Mifaly ny tontolon'ny Twitter Saodiana.
Iran: Bye Bye Filoha Ahmadinejad
Mampiasa ny teny ifankafantarana #AhmadiByeBye ny Iraniana amin'ny fisentoany hoe lasa ihany ilay filoha nampisara-kevitra sy tsy milamina loatra.
Miasa Hanova Ny Lalànan'ny Fitsapa-Kevi-Bahoaka ‘Tsy Ara-dRariny’ Ny Mpanohitra Ny Nokleary
Manome vahana izay vitsy an'isa manao ankivy ny fandrotsaham-bato ny lalàna momba ny referandaoma ao Taiwan, izay mitaky ny fandraisana anjaran'ny 50 isan-jaton'ny mpifidy voasoratra anarana.
Fanabeazana Ara-Miaramila ao Korea Atsimo : Dimy Ny Maty Ka Mbola Ilaina Ve?
Nasaina nanala ny akanjo aro-aina ny mpianatra dia nitsoraka tany an-dranomasina tao amin'ny toby fanazara-tena ara-miaramila iray, dimy no maty vokatr'izany ka mampitodika ny olona handinika marina ny momba ny fanabeazana ara-miaramila mahazatra azy ireo.
Navotsotr'i Sodàna atsimo Ireo Mpanao Gazety Ogandey Nosamborina
Nampiasa ny teny ifankafantarana #FreeUgandaJournos tao amin'ny Twitter ny mpiasan'ny fampitam-baovao hanerena ny filohan'i Sodàna Atsimo hamotsotra ireo mpanao gazety.
Alemaina: Hetsi-Panoherana Fanaraha-maso Fomba “Big Brother”
#StopWatchingUs no teny ifampifehezan'ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Asabotsy 27 jolay tao Alemaina. Manohitra ny fanaraha-maso ataon'ny sampam-pitsikilovana sy ny tsy fihetsehan'ny governemanta ny mpanao fihetsiketsehana.