Andriamifidisoa Zo · Jona, 2013

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Jona, 2013

Hetsika Ho Fahatsiarovana ny Kapiteny Mbaye Diagne, Maherifo Senegaley ao Rwanda

  18 Jona 2013

Mbola mitohy manerana izao tontolo izao ny fotoam-pahatsiarovana ofisialin'ny lasibatry ny fandrimpaham-bahoaka tao Rwanda tamin'ny 1994. Saingy ankavitsiana ny mbola mahatadidy ny Kapiteny Mbaye Diagne. Nefa dia nampiseho herimpo tokoa io tanora manamboninahitry ny tafika senegaley io nandritra ny fotoana be fieboeboana fotsiny ny ambiny manerana izao tontolo izao. Efa an-taonany i Enrico Muratore no nitolona mafy mba tsy ho latsaka any amin'ny fanadinoana ny anaran'io maherifo io.

Vladimir Putin: Tompon'ny Peratra (Super Bowl)

Akon  18 Jona 2013

Nangalatra ny peratr'i Robert Kraft tompon'ny Super Bowl antsoina hoe New England Patriots ve i Vladimir Putin tamin'ny 2005? Maro ny bilaogera Rosiana nanao io fanontaniana io, rehefa niteny i Kraft tamin'ny 4 Jona 2013, tao amin'ny tafatafa hita ao amin'ny New York Post fa tsy nanolotra ny peratra ho fanomezana izy ny tena marina.

SARIPIKA: Anjatony Manohitra Ny Saran'ny Bus Nosamborina Tao Brezila

  17 Jona 2013

Nifanehatra tamin'ny famoretan'ny polisy tamin'ny endrika ranona dipoavatra atsifitra, bala fingotra ary baomba mandatsa-dranomaso ny fihetsiketsehana fahaefatry ny Hetsika ho amin'ny Sara malalaka, izay notontosaina tamin'ny alakamisy 13 jona tao São Paulo. Araka ny vaovao farany dia olona 235 farafahakeliny no voasambotra nandritra ny fihetsiketseha-panoherana.

Fanagadrana Ho An'ny Mpiasan'ny ONG ao Ejipta

Niteraka fahatezerana tany amin'ny tambajotra an-tserasera – sy eny amin'ny andavanandrom-piainana ny namoahana ny didy ho an'ny mpiasan'ny ONG Ejipsiana sy vahiny 43 izay hogadraina hatramin'ny dimy taona. Heverina ho fampitandremana ho an'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mpampiroborobo ny demaokrasia izany. Manazava ilay bilaogera Ejipsiana Zeinobia: Mampalahelo izany...

Brezila: Maizina Hoavy, Sarimbavy Lasibatry ny Fanondranana Olona

  06 Jona 2013

Ity lahatsoratr'i Andrea Dipp, avy ao amin'ny Agência Pública (izay mpiara-miasa amin'ny Global Voices ), ity dia navoaka ho tahaka ny lahatsoratra fanadihadiana momba ireo “travestis” (sarimbavy) avy ao Fortaleza, ary nanana ny lohateny hoe “VOU BOMBAR PARA COBRAR MAIS NA COPA” (“HANABONTSIN-TENA AHO HAHAZOAM-BOLA MANDRITRA NY MONDIALY” ) tamin'izany ary...