Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Febroary, 2013
Bangladesh: Mitaky Ny Fanamelohana Ho Faty ireo Meloka an'Ady Tamin'ny 1971 ny Mpanao Fihetsiketsehana
Roa amby efapolo taona. Izany ny fahalavam-potoana niandrasan'ny Bangladeshy rariny tamin'ny heloka mampihoron-koditra natao tamin'izy ireo nandritra ny adim-panafahana nataony hisintahana amin'i Pakistan. Ary tamin'ny 5 Febroary 2013 dia nohelohina mandra-pahafaty noho ny famonoana, fanaovana an-keriny, fampijaliana ary ny heloka hafa natao nandritra ny adim-panafahan'ny taona 1971 i Abdul Quader Mollah, sekretera jeneralin'ny...
Mihevaheva Mitety an'i Singapore
‘Nihevaheva’ (nanao lévitation) nitety an'i Singapore i Jayden Tan sy i Jeff Cheong ary nampianatra ireo mpianatra ny tsiambaratelon'ny fakana sary mihevaheva. Nahasarika ny tao Singapore ny tetikasan-dry zareo ary maro ny olona no nahamarika ny famoronana nataon-dry zareo eo amin'ny sehatry ny fakana saripika.
“Atsangano ny Tanana! Fangalarana izao!”: Mitohy ny Hetsi-Panoherana ao Espaina
Nidina maro an-dalambe hampiseho ny fahatezerany indray ny Madrileños tamin'ny faran'ny herinandro teo noho ny fiheverana ny Praiminisitra Mariano Rajoy ho nanao kolikoly. Mizara ny sary nopihany i Anna Williams
Tamin'ny Aterineto No Nananganana ny Firaisankina Nanoloana Ny Voina Nitranga Tao Atsimon'i Brezila
Tao an-tanànan'i Santa Maria, ny fahamaizan'ny trano fandihizana Kiss no namarana ny fiainana sy ny nofinofin'ny tanora mihoatra ny 230. Nampiasaina ny tambajotra sosialy hanangonam-baovao tamin'izay nitranga sy hitadiavana fanampiana ho an'ireo niharam-boina. 90 amin'ireo trano 150 koa no levon'ny afo tao Vila Liberdade. 50 raha kely indrindra no rava tanteraka. Nihanaka haingana hamonjena ireo niharam-boinan'i Vila Liberdade ilay fanehoa-piraisankina tamin'izay nitranga tao Santa Maria.
Nandefa Gidro Tany an'Habakabaka i Iran Ary Hafa no Tonga avy Any
Nihaika ny filazan'ny governemanta Iraniana milaza ny fahombiazan'ny fandefasana gidro nankany an'habakabaka sy nitondra azy niverina velona tamin'ny 28 Janoary 2013 ny bilaogera sy ny loharanom-baovao maro. Official images — supposedly depicting the monkey before and after the launch — do not appear to match up, casting further doubt and raising...
Ekoatera : Hatsikana Politika Mandritra ny Fampielezan-kevitra
Hiatrika fifidianana filoha, filoha-lefitra ary mpikambana parlemantera i Ekoatera amin'ny 17 fabroary 2013 ka miaina hatsikana sy ny vazivazy ary ny fandoavana onitra vitsivitsy ny firenena
Google Mamoaka Ny Sarintanin'i Korea Avaratra Hifandrimbonana
Namoaka ny sarintanin'i Korea Avaratra nifandrimbonana voahitsy i Google tamin'ny 29 Janoary 2013. Nisy ny fiovana goavana ka nanaraka avy hatrany ny fihetseham-po.
Repoblika Centrafrique: Tahaka ny Ahoana ny Tanjak'ilay Dinam-Pandriampahalemana?
Nanasonia dinam-pandriampahalemana vaovao tamin'ny 11 Janoary 2013 ny Repoblika Afrika Afovoany (CAR), tarihin'ny filoha François Bozizé sy ny mandatehezan'ny mpioko Séléka. Vita izao fifanarahana izao taorian'ny iray volan'ny fikorontanana ara-miaramila [mg] sy ara-politika nahitana ny fandrosoan'ny mpioko mizotra mankany an-drenivohitra Bangui ao anatin'ny fikasana hanongana an'i Bozizé nandritra izany fandrosoana ara-tafika izany. Heverina hamoaka...