Andriamifidisoa Zo · Oktobra, 2012

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Oktobra, 2012

Torkia: Olona an'Arivony Manohitra Ny Ady Ao Syria

Nitifitra lasibatra Syriana ny miaramilan'i Torkia ho valin'ny famonoana nahafatesana sivily Tiorka dimy nataon'ny tafi-panjakana Syriana. Namoaka fanambarana avy hatrany ny ny tao amin'ny biraon'ny praiminisitra tiorka Tayyip Erdogan taorian'izany, tamin'ny filazana hoe: Our armed forces in the border region responded immediately to this abominable attack in line with their rules of engagement; targets...

Kiobà: Noafahana Ry Yoani Sánchez Rehefa Notazonina 30 Ora

GV Mpisolovava  07 Oktobra 2012

Noafahana ny zoma 5 oktobra tamin'ny sivy orana alina ora EST rehetra notazonin'ny polisy tao Havana, Kiobà vonijmaika, taorian'ny nitazonana azy tany amin'ny tanàna iray any atsinanana antsoina hoe Bayamo ny omalin'io ny bilaogera kiobàna fanta-daza Yoani Sánchez sy ny bilaogera isany Agustín Díaz sy Reinaldo Escobar (vadin'i Sánchez). Taoriana...

Kiobà: Nosamborina Ny Bilaogera Yoani Sánchez

GV Mpisolovava  06 Oktobra 2012

Nosamborina omaly alina tany amin'ny farintany atsinanan'i Bayamo, izay nizorany hanatrehany sy hitaterany ny fitsarana an'i Angel Carromero, teratany Espaniola voampanga ho namono olona tsinahy noho ny lozam-pifamoivoizana nahafaty ilay mpiaro ny demokrasia malaza Oswaldo Payá sy ilay mpikatroka Harold Cepero, ilay Kiobàna bilaogera efa nahazo loka sady mpiaro ny zon'olombelona Yoani...

Fiarahan'ny Besinimaro Mametraka An-tSarintany Ao Venezoelà

  06 Oktobra 2012

Tsy maintsy hoe ho betsaka ihany ny olona no hisioka, hilaza vaovao farany amin'ny Facebook ary hamoaka lahatsoratra momba ny fifidianana filoham-pirenena any Venezoelà amin'ity faran'ny herinandro ity -ary maro ny hampiasa ny fitaovam-pampitam-baovao sosialy hitaterany iza fihetsika tsy mety na herisetra hitany. Misy Fandraisana an-tanana atao-na olom-pirenena vitsy hametraka...

Venezoelà: ‘Endrika sy Feo’-n'ny Andaniny Sy Ankilany Amin'ny Fifidianana

  06 Oktobra 2012

Namoaka rakitsary an-tserasera izay “manome feo ho an'ny andaniny sy ankilany mpanohana an'i [Hugo] Chávez sy i [Henrique Capriles]” ny mpaka sary Portiogey Eduardo Leal.” Ao amin'ny ‘Endrika sy Feon'ny Fifidianana Iray’ no pihan'i  Eduardo ny eritreritra sy ny tsinapan'ny vahoaka Venezoelana araka izay hanazavan-dry zareo izay hofidiany mandritra ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny...

Koety: Tifi-Basilava Atao Amin'ny Mpanao Fihetsiketsehana Tsy Mizaka Zom-Pirenena

Nanapa-kevitra ny hanao fihetsikatsehana amin'ny fitakiana fizakàna zom-pirenena mandritra ny andron'ny tsy fampiasana herisetra iraisampirenena amin'ny 2 Oktobra 2012) ny vondrom-piarahamonina tsy manana fanjakana mpiahy. Nanao fihetsiketsehana tsindraindray [an-tserasera sy andavanandro] ny vondro-piarahamonina hatramin'ny Febroary 2011. Tao anatin'izay roa taona izay dia efa nisambotra mpanao fihetsiketsehana mihoatra ny 200, namorona fiampangana hanamelohana...

Torkia: Manamarika Ny Isian'ny Fifampiraharahana Eo Amin'ny Mpioko Kiorda Ny Praiminisitra

Nanamarika ny praiminisitra tiorka, Recep Tayyip Erdoğan, fa hifampiraharaha amin'ny mpioko kiorda taorian'ny volana maro nisiana herisetra mahafaty avy amin'ny mpioko kiorda ho setrin'ny politika tiorka. Tsy narisika ny hifampiresaka tamin'ny mpioko i Torkia teo aloha, na dia teo aza ny antso avy amin'ny antoko kiorda mpandala ny fandriampahalemana sy ny demokrasia.