Andriamifidisoa Zo · Janoary, 2012

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Janoary, 2012

Côte d'Ivoire: Manosihosy Ny Zon'ny Mpamorona Ny Gazety

  10 Janoary 2012

Hafa noho ny teo aloha ny fetin'ny faran'ny taona 2011 tao Côte d'Ivoire. Valo volana taorian'ny fiovam-pitondrana, te-hanamarika ny fiovana tamin'ny alalan'ny ravaka tsy fahita tao amin'ny firenena tamin'ny alalan'ny fanomanana afomanga goavana ny 30 sy ny 31 desambra 2011 ny fitondrana. Maro ny Ivoariana no nivoaka nanararaotra nivoaka nijery ny fampisehoana isan-karazany izay ampian'ny teknolojia, samy naka sary fahatsiarovana ny tsirairay. Nampiasain'ny gazety kosa ny sary nopihan'i Audrey Carlalie

Slovakia: Olana Momba Ny “Asa sa Vola”

Tany atsinanan'i Slovakia, niangaviana hiditra amin'ny tetikasam-panjakana iarovana amin'ny tondra-drano ny tsy an'asa. Ao amin'io faritra manana taha ambony amin'ny tsy fananan'asa io dia efatra monja ny tovolahy nanaiky. Nandà avokoa ny hafa rehetra, nanambara fa mbola mahantra kokoa ry zareo raha mandray io asa io. Manoratra momba ny tsy fananan'asa ao Slovakia i Tibor Blazko ary mandika teny ny hevitry ny mpiserasera.

Hong Kong: Hetsika Tselatra Fanoherana Marika Lafovidy Iray

  10 Janoary 2012

Olona an'arivony no nanao fihetsiketseham-panoherana teo an-tokotany manoloana ny tsenam-barotra Dolce & Gabbana's ao amin'ny lalan'i Canton, toerana ivangongoan'ny mpizahantany ao Hong Kong indrindra, omaly (8 Janoary 2012). Mivory ny olona, mikorotandrotana noho ny nataon'ny mpiambina ilay tsenambarotra Italiana malaza vao nandrara mpaka sary monina ao izay monina ao Hong Kong...

Singapore: Nahena ny Karaman'ny Minisitra

  05 Janoary 2012

Anisan'ny mpanao politika mandray karama ambony indrindra manerantany ny ao Singapore fa hihena dia hihena ny vola raisin'izy ireo amin'ity taona ity rehefa nandrisika ho amin'ny fampihenana ny karama ho an'ny mpitondra ny tanàna ny vaomiera natsangan'ny fitondrana . Miresaka ny amin'izany amin'ny fampiasana tenifototra #ministerpaycut ny mpiserasera