Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Aogositra, 2011
Maraoka: Vohikala Miaritra Fisomparana DDoS
Niaritra fisomparana "distributed denial-of-service" (DDoS) na "tolotra voatsinjara nolavina" ny vohikalam-pitolomana maraokana Mamfakinch! ny andron'ny alahady 31 jolay 2011, ka nampikatso nandritra ny ora maromaro ny fidirana tao aminy. Efa miverina an-tserasera ankehitriny ny vohikala. Fa inona ny Mamfakinch! ary inona ny antony isomparana azy?
Shina: Hetsika lehibe manohitra fananganana orinasa mpamokatra akora shimika any Dalian
Nivadika ho filaharambe nitety ny tanàna ny fivoriana tao afovoan-tanànan'i Dalian, faritanin'i Liaoning, ho fanoherana fananganana orinasa mpanao fanafody ny alahady maraina. Nivoaka tamin'ny heriny manontolo ny polisy, saingy mba tahaka izany ihany koa ny mpamaham-bolongana bitika.
Koety: Mampanidina “Balônin'ny Fahafahana” ny Bidun
Iray volana lasa izay, nanatontosa telo andro fanentanana "amadihana ny sarintavan ao amin'ny Twitter" hanairana ny famoaham-baovao sy hampisongadina ny momba azy ireo eo anatrehan'izao tontolo izao ny vondron'olona tsy manana zom-pirenena na inona na inona. Tamin'ity zoma ity dia hetsika hafa indray no nataony nampanidina balônina ho eny amin'ny...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...