Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Jona, 2011
Kazakhstan: Sisintany an-tserasera iniana atsangana
Nahita zavatra hafahafa ny mpisera Kazakhstani tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity. Hita manko vao haingana izay fa mivadika ho azy mankany amin'ny Google.com miaty teny Kazakh ny tokotaniny ny Google.kz.
Ejipta: Raha nahavita ny tsy vitan'ny fampitam-baovao mahazatra ny fitaovam-pampitam-baovaon'olotsotra
Ity no fizarana voalohany amin'ny andiam-panadihadiana momba ny revolisiona Ejipsiana avy amin'ny fomba fijerin'ny mpamaham-bolongana sady mpamokatra dokambarotra an-dahatsary Aalam Wassef, ary mifantoka amin'ny lahatsary an-tserasera sy ny fomba fampitam-baovao hafa niara-dalana tamin'ny rotaka sivily.
Okraina: Manivana Facebook?
Tetyana Bohdanova no mitatitra ny raharahan'i Mykola Sukhomlyn, mpamaham-bolongana Okrainian sady iray amin'ny mpisera Facebook malaza, izay nofaranana tamin'ny voalohany volana jona 2011 ny kaontiny.
Però: fifidianana 2011: Torapo avy amin'ny adihevitr'ireo kandidà ho filoha
Narahina akaiky tao amin'ny tambazotran-tserasera ny adihevitra tamin'ny fahitalavitra nifanaovan'ny kandidà roa mifaninana ho filoha Peroviana, Keiko Fujimori sy Ollanta Humala. Andro maromaro aty aoriana dia mbola mitohy ihany ny adihevitra, saingy efa mifantoka kokoa amin'ny dingana faharoa amin'ny fifidianana izy ireo, izay notontosaina ny Alahady 5 Jona.
Koety: mpianatra ejipsiana voaroaka fa nanontany momba ny revolisiona
Nandroaka mpianatra Ejipsiana 10 taona hiala an-tsekoly ny manampahefana amin'ny fampianarana Koesiana noho ny fanontaniana nataony tamin'ny mpampianatra hoe : "Nahoana ianareo no tsy manao revolisiona?" Indreto ny voafantina tamin'ny tora-po nivoaka tao amin'ny Twitter. Niverina tamin'ny fanapahan-keviny moa ny minisiteran'ny Fampianarana ary efa niverina nianatra ilay zaza.
Yemen: Antony nahatara an'i Saleh!
Nanala azy ny mpisiokantsera tamin'ny fampiasana ny tenifototra #AntonynahataraaniSaleh teo am-piandrasana ny kabarin'ny filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh, izay nanaraka ny tatitra fa naratra tao amin'ny Lapam-panjakana izay nisy nanafika maraina tao Sanaa. Efa nilalao tenifototra mitovitovy aminy ny mpisiokantsera raha nahemotra ny kabarin'ny filoha Ejipsiana Hosni Mubarak – #AntonynahataraaniMubarak...
Yemen: Saritaka ao Sanaa amin'ny vaovao mifanohitra momba an'i Saleh
Tafalatsaka anaty korontana tanteraka ny renivohitra Yemenita Sanaa nandritra ity folakandro ity, noho ny fisian'ny vaovao mifanohitra momba ny filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh. Raha milaza ny sasany fa nandao ny lapam-panjakana ao Sanaa izy, ny hafa kosa nitatitra fa naratra izy nandritra ny fifandonana nitranga. Indreto ny tora-po voalohany...
Mila Antenimieran'ny tanora ve i Malezia?
Nanao volavolan-kevitra ny hananganana ny Antenimieran'ny tanora ny praiminisitra maleziana mba hanairana sy hanentana ny tanora handray anjara amin'ny fitantanana ny firenena. Mizara ny heviny momba ity lohahevitra ity ny mpamaham-bolongana.