Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Febroary, 2010
Però: Sekoly Ambony vaovao ho an'ny mpianatra tena sangany
Tany amin'ny fanombohan'ny taona 2009 tany ny filoha Peroviana Alan García no nanambara ny fananganana ny Sekoly Ambony Filohan'i Però [es] aorina any Huampaní, tokony ho 25 km atsinanan'i Lima (renivohitra). Tetikasam-panabeazana (mitady voninahitra) hampidirana ny mpianatra 500 mahay indrindra avy amin'ny sekoly 47 tsara indrindra manerana ny firenena izy...
Iran: Miorina ny Cyber-tafika Islamika
Matetika ny aterineto no lazaina ho sehatra ifampiresahana sy ifanakalozan-kevitra amim-pilaminana, saingy rehefa any Iran kosa, nivadika ho lasa karazana “ady an-tserasera” ny fifandirana ara-politika hany ka izay hary fitaovana matanjaka any dia mampangina ny fahalalaham-pitenenana. Indreto tononina etsy ambany ny paikady telo – nahomby na nandamòka – izay antsoinay...
Kroasia: Filoha vaovao – lalana vaovao
Nandray ny fahefana amin'ny mahafiloha fahatelo, misolo ny filoha teo aloha Stjepan Mesić nahavita ny fe-potoana fiasany indroa misesy, ny zoma tamin'ny herinandro lasa teo Atoa Ivo Josipović. Namoaka lahatsoratra lavalava mandrakitra ny famantarana ivelany entin'ny filoha vaovao sy ny karazan-tsakana atrehin’ i Kroasia ny BBC mba hahatafiditra azy ho...
Afrika: velona sy salama tsara ny fanjanahantany 50 taona taorian'ny nahazoana ny fahaleovantena
Manamarika ny faha-50 taonan'ny fahaleovantenan'ny firenena Afrikana miteny frantsay avy tamin'i Frantsa sy i Belzika ny taona 2010. Raha efa ilalana moa ny fankalazana ofisialy amin'izany dia eo ampangaroharoana adihevitra ihany koa ny bolongana any Afrika avaratra, afovoany ary atsinanana. Bolongana Maraokana, Planète Non Violence, no mampifandray ny nitranga nandritra ny...
Hoy ny mpamahambolongana Amerikana momba ny fangalaran-jaza kamboty Haisiana
Raha eo andalam-panarenana sy fanorenana i Haiti, dia misy indray ny fanahiana ny mikasika ny kilonga indrindra moa fa ny kamboty. Efa maro ny tatitra momba fitadiavan'ireo mpanondran-jaza mitady kilonga marefo fiarovana, ary anisan'izany ity vaovao navoakan'ny CNN ity. Misy fifandraisana betsaka amin'i Etazonia ny momba ny kamboty satria Amerikana...
My name is Khan – Politikan-kolontsaina any India
Sarin'afisy hita ao amin'ny Wikipedia Tsy miresaka momba ilay sarimihetsika avoakan'i Bollywood hoe ‘My Name is Khan‘ [Khan no anarako], fa miresaka ny fahazoana azy kosa any India sy any Etazonia sy ny anton'izany. Ny topimaso ao amin'ny lahatsoratra iray ao amin'ny bolongana miteny Hindi no ahitana fa misy zavamisy...
Iran: tsy nisy hora-pandresena ho an'ny hetsi-panoherana maitso nandritra ny fetin'ny revolisiona
Nanomana fihetsiketsehana ny mpanohitra avy ao amin'ny Hetsika Maitso tamin'ny tanàna maro manerana an'i Iran nandritra ny fankalazana ny revolisiona Iraniana tamin'ny 11 febroary saingy Tsy nahavory olona maro tahaka ny taloha intsony noho ny asan'ny mpitandro ny filaminana sy ny Fihaonana maro sy lehibe ataon'ny mpanohana ny fitondrana. Mbola nifampihaika...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...