Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Aogositra, 2009
Mitondra VIH mamaham-bolongana: Mbola azo atao ny mitia
Na dia sarotra aza ny miresaka malalaka momba ny VIH/SIDA, dia mitombo hatrany ireo mpamaham-bolongana manerantany mireska ny fomba fiainany mitondra ny tsimok'aretina.
Bengladesh: Ny ‘Uncultured Project’ sy ny diorano
Teo am-panampiana ny tra-boinan'ny rivodoza Sidr tany Benlgadesh indrindra ny Uncultured Project (tetikasa ho an'ireo tsy voakolokolo ara-tsaina na atao hoe tsy mahalala fomba ihany koa) raha nijery ny takelany...
Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana
Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any...
Arzantina: Manao izay hanakatonana bolongana ny vondrona media Clarín
Volana vitsivitsy lasa izay ny Global Voices no namoaka lahatsoratra miresaka momba ny vondrona fampahalalam-baovao marolafy arzantina hoe Clarín izay nanery ny YouTube hanakatona ireo mpikambana mampiasa ny rakikira an-tsary...
Japan: Fisintahan'ny mpizahatany Japoney an'Italia
Lazaina fa nihena ny isan'ny mpizahatany Japoney nandalo an'i Roma faramparany teo. Tsy noho ny krizy ekonomika ihany fa eo ihany koa ny tolotra ratsy ataon'ny trano fisakafoanana sy fandraisam-bahiny...
Shina: Fitsarana an-tendrony sy fanilikilihana ataon'ny Han amin'ny Uyghur
Mihoatra ny iray volana izay no nisian'ny rotaka tany Xinjiang tamin'ny 5 jolay ary mbola manameloka ny Tandrefana sy ny Rebiya Kadeer ho nampiroborobo ny hetsiky ny mpisintaka tany Xinjiang...
Azia atsimo atsinanana: ny aterineto sy ny fitiavan-tanindrazana
Miha-mampiasa ny aterineto hanaovana fampielezakevitra ny vondrona tia tanindrazana isan-karazany any Azia Atsimo Atsinanana. Na dia ny mpitondra politika aza dia mampiasa araka izay tratra ny serasera hampiroboroboana ny firaisan-kina...
Pakistan: Manameloka ny rotaka tao Gojra
Velona ny rotaka tao an-tanànan'i Gojra, Pakistan tamin'ny Asabotsy lasa teo noho ny filazana fa nisy ny fanimbazimbana ny Korany Masina ary dia nisy nandoro ny tranon'ireo kristiana tany an-toerana ka olona 7 no may velona tao ary 18 no naratra mafy. Henjana dia henjana ny fanamelohan'ny tontolom-bolongana karana tamin'ity raharaha ity.
Ekoatera: Garam-piara fitaterana vaovao roa misokatra ao Quito
Ambohipihaonan'ny fitaterana an-tanety ao Ekoatera ny renivohiny ao Quito ary azo heverina fa ahafahana mipaka any amin'ny toerana rehetra tiana andehanana manerana ny firenena ny fandraisana fiara fitaterana iray avy...
Pakistan: Niverina ny rariny?
Namoaka didy ny fitsarana any Pakistan tamin'ny zoma 31 Jolay fa mandika ny lalampanorenana sy tsy ara-dalàna ny fanapaha-kevitry ny filoha teo aloha dia ny Jeneraly Pervez Musharraf tamin'ny 3 Novambra 2007, dia ny filazana ny filazana ny tany ho latsaka an-katerena sy ny fandefasana ny mpikambana rehetra ao amin'ny fitsarana tampony hody sy napetraka tamin'ny toerana iray harahi-maso manokana.