Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Andriamifidisoa Zo · Febroary, 2009

Bilaogera amin'ny teny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.

Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.

imailaka Andriamifidisoa Zo

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Febroary, 2009

05 Febroary 2009

Filaharan'ny bolongana Afrikana

Raha mpanaraka ny bolongana Afrikana ianao dia mety ho liana ihany koa amin'ny filaharana ankapoben'ireo bolongana ao amin'ny tontolom-bolongana Afrikana. Azontsika fantarina amin'ny alalan'ny fampilaharana ataon'ny Afrigator ireo mitana ny lohalaharana sy bolongana be mpamaky indrindra eto Afrika. Nandahatra lisitry ny vehivavy Afrikana mpamaham-bolongana mitana ny laharana 45 voalohany koa...

02 Febroary 2009

Japana: Tanora Masina, Jesoa sy Boddha nidina an-tany

Ahoana moa raha midina ety an-tany i Jesoa sy i Boddha mba hitsangatsangana faran'ny herinandro? ary ahoana moa raha miara-mipetraka amina efitrano mora vidy any Tachikawa andrefan'i Tokyo izy ireo? izany no eritreretin'i Hikaru Nakamura (中村光) [jp], tanora Japoney mpanoratra manga, raha miaraka amin'ireo Oniisan Masina (聖☆おにいさん [jp], dika mivantana...