Bilaogera amin'ny fiteny malagasy. Teraka sy mipetraka eto Madagasikara. Miezaka mampahafantatra araka izy azo atao ny zavamisy eto an-toerana ho an'ny mahay teny malagasy rehetra sy ireo miezaka hahay ny teny malagasy ihany koa.
Marihina fa tsy mpanao gazety aho ary tsy miasa anatina sampan-draharaham-pampahalalam-baovao ihany koa. Fitiavana hampiroborobo ny teny malagasy no tanjoko etoana na dia misy dia misy tokoa aza ny zavatra tsy itovizako hevitra amin'ny lahatsoratra adikako.
Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Oktobra, 2008
Nagorno Karabakh: Momba ny mariazy miara-mizotra
Pigh [RU] indray no miresadresaka ny mariazy notontosaina tamin'ny herinandro teo natao tao amin'ny Repoblika nanambara samirery ny fahaleovantenany dia i Nagorno Karabakh izany. Nolazain'ny bolongana fa 537 ny isan'ny mpivady vao tao amin'ilay tanàna miadin'i Shushi raha 138 ny isan'ny (mpifamofo) nifanao voady tao amin'ny monasiteran'ny Gandzasar. Nandray vola...
Brezila: Ho amin'ny hetsika hanoherana ny fandemen-tsaina ataon'ny fampahalalam-baovao
Eduardo Guimarães [pt] mpikambana mpanorina ny Movimento dos Sem Mídia [Fiaraha-mientan'ny adinon'ny Media (fampitam-baovao)] no miantso ny olom-pirenena handray anjara amin'ny hetsika hanoherana ny familiviliana sy fanodikodinana ny marina ataon'ny fampahalalam-baovao any Brezila. “Mbola manolo-kevitra indray aho ny hanaovana ity bolongana ity ho fitaovana entina amim-pilaminana, handraisan'ny olom-pirenena anjara hiampangana...
Okraina: BlogCamp Eoropa afovoany sy atsinanana 2008
Michelle Knisley ao amin'ny Greetings from Kyiv (arahaba avy aty Kiev) no mamelabelatra ny heviny amin'ny BlogCamp 2008 ho an'i Eoropa atsinanana sy afovoany izay tontosaina ao Kiev any Okraina amin'izao fotoana izao.
Belizy: Tondra-drano
“Nampitoka-monina ny tanàna kely sy lehibe maro sy nahatonga fialana tamin'ny toerana iva, nanimba ny voka-pambolena sy fikatonan'ny sekoly maro any amin'ny faritra afovoany sy andrefan'i Belizy ny fitondrahan'ny rano (raiso amin'ny teny hoe tondra-drano) tany amin'ity firenena ity…”: hoy Belizean namelabelatra tamin'ny antsipiriany.
Syria: Efa tonga ve ny ririnina?
Ho avy ity ny ririnina, hoy ny mpamaham-bolongana Syriana Sasa. Taorian'ny fidanihan'hafanana (ka mitanika orana koa!) dia nirotsaka tampoka tao an-drenivohitra Syriana ny oram-baratra. “Ka tokony haka ny akanjo fanao amin'ny ririnina ary isika sa tsia?” hoy ny fanontaniany.
Nosy virijiny amerikana: Taorian'i Omar
News of St. John no mamoaka sary vitsivitsy maneho ny nosy taorian'ny fandalovan'ny rivodoza (Hurricane) Omar.
Afrika: Mpanohana tokana an'i McCain eto Afrika
David Sasaki no nandefa lahatsarin'ny mpanohana an'i McCain eto Afrika: Ao anatin'ny eritreritra endri-panohanana dia ity ny lahatsarin'ny mety ho tsara indrindra amin'ny mpanohana an'i McCain eto Afrika. Raha tadidiko tsara dia toa “George Kennedy” no anarany.
Sri Lanka: Samy simba izany e!
Portrait no mitatitra ny fanimbana ny ala amina kilaometatra maromaro any Sri Lanka izay notapatapahina, nodorana, nohosihosena sy nentin'ny bulldozer fa nolamahina anjatony metatra ny andaniny sy ny ankilan'ny lalana ho fepetra noraisin'ny tafika hisorohana ny fanafihan'ny Tigra Tamolona miafina ao anaty ala ao.
Paragoay: Tolobidina voromby hoan'ny filoham-pirenena
Te-hividy voromby ho an'ny filoham-pirenena ny filoha Paragoaiana Fernando Lugo hanatontosany fitsidihana iraisam-pirenena. Tsy manohitra ireny fitsangatsanganana ireny i Carlos Rodríguez ao amin'ny Rescatar [es] fa lainy kosa ilay vidiny $7 000 000, ka aleo mitandrina kokoa hanofa raha izany, hoy izy.
Brezila: nigadra fa naneho hevitra tamin'ny blaogy (bolongana)
Manamboninahitra ambony ao amin’ny polisy no olona voalohany nampidirina am-ponja noho ny fanehoan-kevitra tamin’ny bolongana tany Brezila. Indreto ary torotoro ravina teo amin’ny tontolom-bolongan’ny polisy avy amin’izany fisehoan-javatra izany. Tsy atao mahagaga loatra, noho ny torolalana amin’ny fampianarana mamahana bolongana sy maneho hevitra (miafina sy tsy fantatra toerana ipetrahana), raha maro amin’ny manamboninahitra no mamaham-bolongana tsy mitonona anarana.