Andriamifidisoa Zo · Marsa, 2008

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Marsa, 2008

Nizeria: Vohikala ho an'i Obama

  27 Marsa 2008

David Ajao no miresaka momba ny fisokafana vohikala iray hanohanana an'i Obama any Nizeria: Manopy maso mandrakariva ao amin'ny fanaovana dinika amin'ny aterineto Nairaland be mpanaraka indrindra ao Nizeria aho , mba ahitako ny fironana sy ny malaza ao Nizeria. Noho ny fahafantarako ny tsy fahalalan'ny mpitarika nizeriana izay laharam-pahamehana...

Shina : Gidragidra manerana ny lalamben’i Lhasa

  27 Marsa 2008

Na dia efa andro vitsivitsy lasa aza ity lahatsoratra ity no nivoaka tamin’ny teny anglisy ataoko fa tsy very akory ny hasina mahavaovao azy indrindra amin’ny teny malagasy noho ny fahavitsian’ny vaovao milaza azy amin’ity tenindrazantsika ity. Izay no mbola amoahako azy hatrany. Marihina hatrany fa fandikanteny fotsiny no ataoko...

Serbia: Ny fanoheran'i Cavic (ny fahaleovantenan'i) KOsovo

  25 Marsa 2008

Balkan Baby no  manoratra momba ilay tompon-dakan'ny lomano Milorad Cavic: “Maro aminay izay nanohana tanteraka ny fahaleovantenan'i Kosovo no hanohana ny fanoheran'i Cavic ihany koa na dia mifandaka aza ireo hevitra ireo, noho ny fahitanay azy ho endrika zon'ny tsirairay ao anaty demokrasia ho afa-maneho hevitra sy milaza izay ao...

Brezila sy Haiti: Rio de Janeiro sy ny Mpampandry tanin'ny Firenena Mikambana

  25 Marsa 2008

Namakafaka lalina i Aloisio Milani [pt] fa “mety ho foto-dalàna sady azo heverina no azo ampiharina amin'ny fampanjakana ny filaminam-bahoaka ny fidiran'ny tafika an-tsehatra anivon'ny tanàna breziliana efa miaina herisetra isan'andro, noho ny fisiana fikambanana jiolahy voalamina any an-toerana, ny fahombiazan'ny miaramila misatro-manga (n'ny Firenena Mikambana)”. Nahare loharanom-baovao avy amin'ny...

Torolalana bloguer pour une cause!

  25 Marsa 2008

Amin-kafaliana no anambaranay ny fahavitan'ny dika amin'ny teny frantsay ny Blog for a Cause! ( bolongana mitondra teny!), mankasitraka indrindra ny vitan'i Claire Ulrich avy amin'ny Global Voices en Français (GV amin'ny teny frantsay) ny Global Voices Guide of Blog Advocacy ( mpitaridalana ny bolongana hisolo vava avy amin'ny GV)....

brezila: ankafizo ny ranomasina fa tsinjovy ay eo ny planeta

  25 Marsa 2008

” Amin'izao andron'ny sabotsim-piderana izao dia mamonjy ny morontsiraka ny olona aman'arivony hankafy ny fahafinaretana azo avy amin'ny ranomasina, ka mody fanina amin'ny fandaniana aterak'izany, tsy raharahiana ireo karazan-javatra nojifaina teny amin'ny torapasika ( vera plastika fanary sy famonosan'entana vita amin'ny polystyrene), noadinoina ny faharitran'ny rano azo sotroina sy ny...

Isiraely: Vehivavy Jiosy hoe i Shakespeare?

  21 Marsa 2008

Efa nampisy adihevitra hatry ny ela ny momba an'i Bard (aza manontany akory fa na izaho mpandika teny aza tsy mahalala io anaran'olona io). Mety ho vehivavy Jiosy Italiana ve i Shakespeare (ity no antony nandikako ity lahatsoratra ity)? Porofo valo no atolotry Jhon Hudson ao amin'ity rohy  Jewcy's  ity...

Isiraely: Fitsidihana manantantaran'i Merkel

  21 Marsa 2008

Ny kabarin'i Angela Merkel teo anoloan'ny antenimiera Isiraeliana (Knesset) no voalohany indrindra nataona mpitondra fanjakana Alemana ambony hatramin'izay. Nikasa Ramatoa Merkel ny hikabary amin'ny teny alemana saingy nahatezitra ireo sisam-patin'ny fandripahana ny jiosy tamin'ny ady lehibe faharoa (shoah na Holocaust no ahalalana azy amin'ny teny vahiny) izany fikasana izany –...

Egypta: Fenoina taratasy mankany amponja

  20 Marsa 2008

“Ho fiaraha-mientana amin'ny FreeKareem.org (fanafahana an'i Kareem izay migadra), dia nanentana ny olona tamin'ny alalan'ny mailaka ny Vaomieran'ny fiarovana ny mpamaham-bolongana (mpitoraka blaogy) ho fanohanana an'ilay mpamaham-bolongana Egyptiana mbola migadra Kareem Amer,” hoy ny filazan'ny Vaomieran'ny fiarovana ny Bilaogera. Ity hetsika  izay hotontosaina, manomboka ny 7 ka hatramin'ny 21 Aprily, ity...

Egypta: Hiatrika ny ampitso

  20 Marsa 2008

“Raha tianao ho fantatra ny ho avin'ny fiainan-janak'olombelona, dia aza ny toerana vaovao no todihanao. Jereo ny toerana antitra na efa niainan'ny olona hatry ny ela: Toerana izay efa nisiana mpitondra maro sy fanjakana matanjaka nifandimby na nifampisolosolo nihanahery sy nidaboka anarivony taona izao, toerana kely nifampisonana nefa namelona vahoaka...