Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Septambra, 2024
Tahirim-peo anjotra Karibeana sasantsasany mila henoina amin'izao Andro Iraisampirenena momba ny Tahirimpeo anjotra izao
Taorian'ny fanombohana somary miadana — sy ny fitomboan'ny fampiasana aterineto ao amin'ny faritra — dia nanomboka namihina ilay endrika ireo mpitaonan'i Karaiba tao anatin'ny folo taona teo ho eo, ary maro ireo nahatsangana mpihaino tsy tapaka amin'ny tolotra fanaony.
Tsy maintsy vahàn'ny filohan'Iran vaovao mandritra ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana ny famoretana ireo artista, mpanohitra
"Paikady tsy dia fantatra amin'ny fitondrana iraniana, nefa misy fiantraikany lalina amin'ny lasibatra ny fiaiken-keloka an-tery, ny fandraràna hiasa ary famerana amin'ny fivezivezeny."
Mampivelatra fiara elektrikan'i Shina: ny revolisiona maitso sy ny tinakiny ara-tontolo iainana ao Azia Afovoany
Kinedrin'i Shina ny hampitombo ny fanondranana fiara mandeha herinaratra any Azia Afovoany, saingy, mety hanakana ny vokatsoan'ity fifindrana fiara maitso ity ny tambajotran'angovo mifototra amin'ny arintany sy ny fampitomboana ny tetikasam-pitrandrahana mifandraika amin'ny (famokarana fiara mandeha herinaratra).
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizarana faha-16
Voambolana telo no omentsika voninahitra amin'ity herinandro ity: ny teny gaboney mitovy amin'ny voambolana maîtresse izay malaza manerana ny faritra, ny fangaro franglais iray ary ny fiofòn'ny voambolana frantsay iray ho voambolana tsheky
‘Krizy sy famohazana ny hetsika nasionaly Tatar’: Antsafa ifanaovana amin'ny toniandahatsoratry ny mediam-panoherana
Miatrika vesatra ho "mamerina ny Nazisma amin'ny laoniny i Ruslan Aysn, Tatar mpanao dokambarotra sady lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny gazetiboky Poistine. Valibontana noho ny fanoherany ny fananihambohitra an'i Okraina izany.
Ireo fandresena sy fitsapan'i Afrika nandritra ny lalao paralaimpikan'ny taona 2024
Atleta manodidina ny 4.400 manerana izao tontolo izao no mifaninana hahazo medaily 549 amin'ireo taranjam-panatanjahantena 22 ifaninanana, Voamarika ny fisoloan-tenan'i Afrika, nahitana mpandray anjara para-atleta 312 avy amin'ny firenena 44.
Lanonana paralaimpika ao Syria iharan-tsivana sy tsikera hoe fanompoan-tsampy
Niteraka tsikera mamaivay avy amin'ny vondrona mahery fihetsika sy nampiato ny lanonana ny fampiasana fanilo olaimpika ao Idlib.T
GV webinar: Ny Abidin'ny Famoretana Ankihy ao Venezoelà
Amin'ity webinar ity isika hijery ny “fonosam-”pitaovana famoretana ankihy fanaon'ny fitondrana Venezoelàna,, ny fomba nivoarany ara-potoana, ary hamakafaka ny fomba nampiasana azy ireo taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 28 Jolay.
Inona ny fitantanana angon-drakitra aminao? Andao hiresaka anjotra amin'ny 30 Septambra
Andiam-pifanakalozan-kevitra tsy ofisialy, virtoaly mifantoka amin'ny fitsipiky ny fitantanana angon-drakitra iombonana, demôkratika, andraisana anjara ary anapahan-kevitra ny Connected Conversations
Famelezana voarindra sy voalamina hamelezana ny mpanao gazetin'i Hong Kong
Hafatra fandrahonana nalefa tamin'ny fianakaviana, tompontrano, mpampiasa ary fikambanan'ny mpanao gazety 15, ary votoaty fankahalana no naranty tao amin'ny Facebook manao ho lasibatra mpanao gazety 36.