Sylvia Aimée · Septambra, 2018

Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Septambra, 2018

Tonga Hatrany Maghreb Ny Tontolon'ny Bilaogy Toniziàna

Manoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fampidirana ny Firaisankina Maghreb ny blaogera toniziana Big Trap Boy, izay ahitana an'ireo firenena avy ao Afrika Avaratra, sy ireo tombontsoany ho an'ny vahoaka rehetra ao amin'ny faritra. Antsoiny ihany koa ireo blaogera toniziana sy ireo Maraokana, Alzeriana, Maoritaniana ary Libiana mba hanao ny andron'ny 1 jona ho andro fanaovana blaogy hanentanana ny Firaisankina Maghreb, hoy ny tatitr'i Samsoum.

Kazakhstan: Ireo Vovonana Bilaogy Miha-Voasivana Bebe Kokoa

  06 Septambra 2018

Ireo blaogy eo amin'ny mail.ru - vavahadin-tserasera rosiana iray malaza amin'ny fampitambaovao, ny fialamboly sy ny imailaka, no faharoa nanjary niharan'ny sivana tao Kazakhstan, taorian'ny LiveJournal. Ny fidirana amin'ireo blaogy irery ihany no sivanina amin'ny alalan'ilay mpandraharaha nasionaly momba ny fifandraisadavitra, miasa tsy misy olana kosa ireo tolotrasa rehetra hafa eo amin'ilay vovonana. Mety ny fidirana amin'ilay faritra natao ho an'ny blaogy raha ampiasàna 'proxy' mba tsy hitononana anarana an'ireo fidirana ny aterineto.

Fijery Avy Any Amin'ny Tandrok'i Afrika Sy Sodàna

  06 Septambra 2018

I Etiopia no iray tamin'ireo firenena Afrikana efatra monja tsy voazanaky ny fitondrana Eoropeana mihitsy. Na dia mahaleotena aza, niharan'ny fibodoana nataon'ny Italiana i Etiopia tamin'ny taona 1936 hatramin'ny taona 1941. mamerina amintsika indray ny tantara ny ethiopundit - 110 taona lasa izay - tamin'ny Adin'i Adwa, izay nandresen'ny hery Etiopiana an'ireo Italiana mpanjanaka nanana teknolojia avolenta.