Harentsoa Tsiky Rakotoson · Febroary, 2019

Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Febroary, 2019

Malezia: Rex Judicata (Mpanjaka mpitsara?)

GV Mpisolovava

Mpiserasera Maleziana enina no voampanga tamin'ny 13 martsa 2009, araka ny tati-baovao. Mikasika ny fanevatevana nataon'izy ireo ny Sultan Azlan Shah tao amin'ny aterineto ny fiampangana. Ho voampanga ao amin'ny fanjakana samihafa ao Malezia izy enina, ny roa dia hotontosaina ao amin'ny fotoam-pitsarana ao an-drenivohitra.

09 Febroary 2019

Shina: Hanadio ny aterineto?

GV Mpisolovava

Araka ny filazan'ny Beijing News sy Mingpao androany, manomana hanadio ny aterineto manontolo noho ny filazana fa fielezan'ny pôrnôgrafia amin'ny fitaovana finday ny Ministeran'ny Indostria sy ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao (MIIT).

08 Febroary 2019

Shina: Andron'ny fikojakojana tao amin'ny aterineto Shinoa

GV Mpisolovava

Tamin'ny 2 jona, tranonkala maromaro tany ampitan-dranomasina no nakatona, anisan'izany ny twitter, flickr ary youtube. Androany 3 jiona, tranonkala maro ao an-toerana, anisan'izany ny Fanfou (endrika twitter Sinoa) sy ny VeryCD (tranonkala fizarana loharanom-baovao avy amin'ny mpiserasera) no nametraka fanamarihana fanamboarana rafitra milaza fa tsy azo idirana hatramin'ny 6 Jiona ny tranonkala.

05 Febroary 2019

Shina: Manakana izay manova endrika ny Google

GV Mpisolovava

Nakatona nandritra ny adiny roa tamin'ny alina lasa teo ny Google, ka anisan'izany ny fikarohana, gmail, antontan-taratasy sy fampiharana, na dia efa naverin'ny FAI sasany aza ny fahafahana miditra tao anatin'ny ora roa, nilaza ireo mpisera twitter sasany fa mbola voasakana any amin'ny faritra sasany ao Shina ny Google.

03 Febroary 2019