Harentsoa Tsiky Rakotoson · Avrily, 2019

Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Avrily, 2019

Mankalaza ny lahatsoratra faha-1000 ny Global Voices amin'ny teny Grika

  18 Avrily 2019

Natomboka tamin'ny volana Martsa 2011, tamin'ny fotoana nitomboan'ny olana sy ny tsikera mamaivay manerantany ho an'i Gresy noho ny krizy ara-bola goavana mahavariana, nahatratra 1 500 ireo dikan-teny tao amin'ny Global Voices amin'ny teny Grika navoaka tamin'ny lahatsoratra Global Voices tamin'ny 8 Febroary 2012 - tao anatin'ny 10 volana monja .)

Venezoela: Nakatona ny Sary amin'ny Twitter, mbola mitohy ny fihetsiketsehana

GV Mpisolovava  16 Avrily 2019

Omaly, roa andro taorian'ny hetsi-panoherana goavana nanerana ny firenena, nitatitra olana maromaro amin'ny fidirana amin'ireo tranonkala sasantsasany ny mpiserasera Venezoeliana. Voalaza fa nosakanana ireo tranonkala maromaro, ary tsy afaka nijery sary sy lahatsary ao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy ny mpisera Twitter, izay tena nilaina tamin'ny fifandraisana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Rosia: Mahatsiaro ilay sangan'ny Rock ny bilaogera

Ny 4 Febroary 2010, nankalaza ny daty nampalahelo ireo bilaogera Rosiana. Telo taona lasa izay, maty noho ny homamiadan'ny hazon-damosina i Ilya Kormiltsev [amin'ny teny Anglisy], iray amin'ireo poeta sy mpanoratra tononkira mana-talenta indrindra sy mampiadi-hevitra indrindra ao Rosia. Tamin'ny taona 2007, nanjary fahafatesana voalohany nalaza indrindra tao amin'ny RuNet ny fahafatesan'i Kormiltsev.