Lahatsoratra farany an'i Harentsoa Tsiky Rakotoson tamin'ny Febroary, 2019
Fomba fiasa vaovaon'ny Google ao Shina

Namoaka fanambarana ofisialy ny Google lnc omaly fa tratran'ny fanafihana antserasera avy any Shina ny orinasa. Niezaka niditra tamin'ny kaonty Gmail an'ireo mpikatroka ny zon'olombelona Shinoa ireo mpanafika. Nilaza ny orinasa fa hiresaka amin'ny governemanta Shinoa momba ny fomba hiasan'izy ireo tsy misy sivana any Shina izy ireo.
Bahrain: Mandrahona ny fikatrohana antserasera sy manakana tranonkala marobe

Nandrahona ny fikatrohana antserasera indray ny minisitry ny fampahalalam-baovao sy ny kolontsaina Mai Alkhalifa tamin'ny tafatafany voalohany tamin'ny BNA (Bahrain News Agency) izay izy ihany no mitantana azy ary nilaza fa dingana voalohany ny fanakatonana ary mety handray fepetra bebe kokoa izahay mba hampihatra ny fitsipika "
Fikatrohana antserasera sy ny hetsika antserasera ao Afovoany Atsinanana

Fampahafantarana mamaritra ny toetry ny fikatrohana antserasera ankehitriny ao Afovoany Atsinanana ary manasongadina ireo hetsika antserasera mahomby. Mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto izany ankoatra ny hafa:
Etazonia: Adihevitra momba ny fahalalaham-pitenenana antserasera

Tokony afaka manakana ny lahateny antserasera ataon'ny mpianatra ve ny sekoly iray satria hita ao amin'ny faritry ny fianarana ny votoaty? Nametraka ohatra amin'ny fiarovana ny lahateny antserasera ivelan'ny toby fianarana ataon'ny mpianatra ny tranga iray tao amin'ny Fitsarana Ambony faha-3 ao Etazonia.
Shina: Nanjavona tao amin'ny fikarohana Google sy Yahoo ny Grass Mud Horse

Roa andro lasa izay, nisy fanambarana nozaraina tamin'ireo mpitantana sehatra fifanakalozan-kevitra antserasera, mangataka azy ireo mba tsy hanohy ny Grass Mud Horse Hyperbole. Ny tatitra farany avy amin'ny bilaogy GFW dia hoe nanjavona tao amin'ny milina fikarohana Google sy Yahoo ao Shina ny teny hoe "Grass Mud Horse".
Iran: Rehefa jerena amin'ny alalan'ny sivana ny aterineto

Manana fiarahamonina antserasera manan-danja eo amin'ny bilaogy mavitrika 60.000 i Iran ary olona hatramin'ny 20 tapitrisa no mifandray amin'ny aterineto. Satria mavitrika ny tontolon'ny aterineto Iraniana, dia toy izany koa ny fanivanana ataon'ny governemanta amin'ny votoaty azo idiran'ny olom-pirenena Iraniana.
Shina: Fisaonana ho an'ireo tranonkalan'ny manam-pahaizana

Tamin'ity herinandro ity, tranonkala roa manan-danja maro no voatery nakatona, ny iray Pauwang (泡網), ny iray hafa Wei-cheng Za-Wan (圍城 雜文).
Bilaogera Ejipsiana roa nosamborina sy nogadraina tamin'ny toerana tsy fantatra nandritra ny iray volana latsaka

Mpikatroka Facebook iray ao Ejipta no nalain'ireo polisy an-keriny, izay nanafika ny tranony tamin'ny 3:30 maraina, fotoana fohy alohan'ny hihiratan'ny andro. Nentina tany amin'ny toerana tsy fantatra efa ho roa andro i Rami El- Swaisi, 21 taona.
Shina: Miantso an'i Guo Baofeng hiverina hody hisakafo hariva!

Notazonin'ny polisy Mawei ao Fujian nandritra ny herinandro mahery ilay bilaogera Peter Guo Baofeng. Araka ny tatitry ny twitter (efa voasakana), Nangataka tamin'ireo enina notazonina mba hanasonia fiaiken-keloka sy hiaiky fa nanao heloka bevava amin'ny fanalam-baraka sy fanaparitahana tsaho ho takalon'ny famotsorana azy ireo ny polisy ao Mawei.