imanoela fifaliana · Novambra, 2018

Lahatsoratra farany an'i imanoela fifaliana tamin'ny Novambra, 2018

Manoratra i Tiorkia…(Janoary 2006)

Mitondra fahafatesana iray vokatry ny gripam-borona tao Tiorkia ny herinandro voalohany amin'ny taona vaovao. Nitatitra ny Erkan's Field Diary fa hita tany amin'ny toerana an-drenivohitra sy ambanivohitra ny trangana gripa azo avy amin'ny vorona, vaovao izay mandà ny mety hisian'ny fifandraisana amin'ny Kiorda izay resahin'ny Amerikan Turk.

Avy amin'ny blaogy Ejiptiana

Tezitra amin'ireo vaovao mikasika ilay zazalahy 14 taona izay miatrika fanamelohana ho faty ao Arabia Saodita ny blaogera sasany. Manasongadina i Freedom for Egyptians sy i Ritzy fa nanamafy ny Fifanarahana momba ny Zon'ny Zaza io fanjakàna io, sy ny hoe tsy mametraka ny fanamelohana ho faty ho an'ny ankizy tsy ampy taona ny lalàna Sharia.