Lahatsoratra farany an'i imanoela fifaliana tamin'ny Jona, 2017
Tonizia : Andro Mainty Ho An'ireo Mpitoraka Bilaogy
Bilaogy Toniziana maro, ao anatin'izany ireo bilaogy tsy mavitrika nandritra ny volana maro, no voasivàn'ny manampahefana tamin'ny tsy nisy antony. Lina Ben Mhenni, izay voasivàna ny bilaoginy, no mitatitra ireo bilaogy tsy azo idirana intsony ankehitriny any Tonizia.
Manàmbana Haka An-keriny Vehivavy Indiana Ao Amin'ny Facebook Ny Vondrona ‘Cyber Warrior’
Mety hitarika vokany henjana eo amin'ny fiainana tena izy, indrindra ho an'ireo vehivavy, ireo fandrahonana miendrika famonoana sy fakàna ankeriny olona .
Mampisaintsaina Lalina ny Tontolon'ny Bilaogy Karaibiana Ny ‘Salopety’ Ho An-dehilahy
Salopetin-dehilahy + Karaiba = volamenan'ny mediam-bahoaka? Inty misy topimason'ireo resaka sasantsasany miseho manodidina ny Romphims ao amin'ny tontolon'ny bilaogy ao amin'ny faritra.
Andron'ny Zavamamy Japoney, Midika Fa Feno Sarinà ‘Wagashi’ Mampiraraka Ivy ao Amin'ny Twitter
Nahafantatra ve ianareo hoe nohajain'i Japàna hatrany ny "andron'ny zavamamy nentindrazany" rehefa 16 Jona, ary efa nandritry ny an'arivo taona maro izany?
Herintaona Mahery Taty Aoriana, Misoroka Ahitra Ao Amin'ny Toeram-ponenana Nasiana Azy Ao Myanmar ireo Niharan'ny Fihotsahan'ny tany
"Taona iray taorian'ny fametrahana azy ireo, vao ny herinaratra fotsiny no azon'ireo mponina fa tsy mbola manana rano mikoriana. Tsy maintsy miantehitra amin'ny fanangonana ranon'orana sy ireo fanaterana ataon'ireo vondrona mpanampy ao an-toerena izy ireo"
Fitsidihana Bilaogy Libiana: Firenena Vaky Fo
Raha mpinompino foana aho, mety hiteny hoe nototoim-bintana ireo Libiana bilaogera. Volana iray talohan'ny Andron'ny Mpifankatia, betsaka tsy toy ny nahazatra ireo tratry ny alahelo am-po, ary ny lehibe indrindra miohatra amin'ny fiara fitobian'ny olam-piainana. Fiarandalamby haingam-pandeha mifaoka ny zavatra rehetra eny amin'ny làlany io, na lahy na vavy dia samy voa avokoa.
Manondrotra ny Fangaraharàna ao Eoropa Afovoany sy Atsinanana
Any Eoropa Afovoany sy Atsinanana, mampiasa ny teknolojia vaovao ireo tetikasa maro mba hanatsaràna ny fangaraharan'ny fitantanana, saingy tsy manome antoka fa hahita masoandro ny fanovàna izay tohanan'izy ireo noho ny tsy fahampian'ny finiavana politika.
An'arivony ireo Hazomirary Sokitry Ny Japoney Iray no Lasa Hita Aty Anaty Aterineto
Mampiseho rakitahirin-tsary hazomirary marobe ny Tranombokin'ny Kaongresy, ahitàna ireo mpiantsehatra, vehivavy, faravodilanitra, toerana avy amin'ny literatiora Japoney, fiainana andavanandro ao Japàna, ary fomba fijerin'ireo Tandrefana ao Japàna.
Ao Hong Kong, Angatahan'ireo Mpikatroka Ireo Toerana Fisakafoanana Mba Hanaisotra Anaty Tolotra Sakafony Ny Lasopy Misy Sombinelatra Antsantsa
"Toy ny fanànan'ireo mpanjifa ao Hong Kong andraikitra amin'ny fampitsaharana ny fihinanana sombinelatra antsantsa, dia manana andrkitra ihany koa ireo vondrona toy ny Mazim's amin'ny fampitsaharana ny fivarotana izany.."
Andiana Bibin-tsaonjo Mpiantafika Rehefa Fahavaratra, Mandravarava ny Voly Any Amin'ny Firenena Afrikàna Marobe
Mety hiteraka fatiantoka hatramin'ny 70 isanjato amin'ny vokatra miakatra ity bibikely ity