Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

imanoela fifaliana · Jona, 2019

Lahatsoratra farany an'i imanoela fifaliana tamin'ny Jona, 2019

Ity herinandro ity tao amin'ny tontolon'ny blaogy Syriana

Blaogera maro indray no niresaka mikasika ny lohahevitra maro tao amin'ny tontolon'ny blaogy Syriana.

Gloval Voices: Tetezana mampifandray fomba fijery maro

Efa zazalahy be ahiahy hatrany aho hatramin'izay. Mihamanjavona ny fahanginan'ireo tantara madinika nahafinaritra afaka nobanjiniko teo amin'ny fiainako andavanandro ary indrisy fa mijanona ho voafetra ao anatin'ny fahatsiarovan'ireo niaina azy na ao anatin'ny fanahin'ny fitantarana ataon'ireo manam-bitana izay afaka niditra tamin'izany antsoina loatra hoe fampahalalam-baovao izany, zava-mitranga matetika ao Afrika.

Avy tamin'ilay Fihaonambe: Vondrompiarahamonina tsy mbola fandre ary Fiatrehana ireo fanamby

Nandritra ilay fihaonana anatiny natao nandritra ny Fihaonamben'ny GV tany Cebu, nametraka fanontaniana lehibe ho an'ireo mpanatrika aho nandritra ny anjara famelabelarana Rising Voices nataoko. Nangatahako izy ireo hieritreritra mikasika ireo vondrompiarahamonina tsy dia voasongadina loatra anatin'ny Aterineto. Nanontaniantsika io satria izany no tadiavin'ny RV ho vahana

Torohevitra isankerinandro mikasika ny Fanoratana: Mifandray amin'ny Mpamaky

Manazava i Janine, mpanonta lahatsoratra GV ho an'ny faritra Karaiba, fa ireo lahatsoratra miresaka amin'ny olona no manako indrindra any amin'ny mpamaky.

Avy any amin'ny Tahiry: Vongany 7 amin'ny Soratra Feno Fahendrena

Taona roa mahery nanomezana Torohevitra Isankerinandro Momba ny Fanoratana izay midika fa nifampizara torohevitra tsara marobe isika momba ny fanoratana sy ny fanaovana tatitra. Amin'ity #TamberinaAlakamisy ity, ndeha hiverenantsika jerena ireo lasa.

Jatta Wöötanö: “Haino aman-jery niomerika, fahafahana lehibe ho an'ireo Vondrompiarahamonina Teratany”

Nikarakara andiana atrikasa maro ho fampiofanana ara-nomerika ireo vondrom-piarahamonina Yekuana ao amin'ny Amazonia Venezoeliana ilay tetikasa Jatta Wöötanö mba hizarana ny zava-misy iainan'ireo vondrom-piarahamonina teratany.

Taratasim-pifandraisan'ny Mpandikateny: Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fandikanteny, Harry Potter & maro hafa koa!

Lohahevitra maro no noresahan'ny mpanoratra tamin'ity indray mitoraka ity. Indro ny fanontaniana fampieritreretana ny rehetra: "Rehefa mamaky boky amin'ny tenim-pirenena vahiny ary tia izany isika, ny asan'iza no tena ankafizintsika? Ny an'ny mpanoratra sa ny an'ny Mpandika?"

Twitter @DigiAfricanLang 2019

Manomboka ny 20 Martsa ary mandritra ny 2019, hifandimby hitantana ny @DigiAfricanLang, kaonty Twitter vaovao izay manasongadina ny anjara asa afaka lalaovin'ny teknolojia sy Aterineto amin'ny fampiroboroboana sy fanomezana aina vao ireo tenim-pirenena eo amin'ny kaontinanta Afrikana ireo Afrikana mpikatroka nomerika

Twitter @NativeLangsTech 2019

Manomboka ny Alakamisy 16 Mey, lisitra mifandimby ahitana ireo teratany Amerindiana sy ireo Firenena Voalohany tao Kanada sy Etazonia no hitantana ny kaonty Twitter-n'ny @NativeLangsTech.

Fiovam-pitantanana goavana ho an'ny Lingua !

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2015) Ry GVers malala! Mientanentana ery aho hanambara ireo fiovàna goavana sasantsasany ato amin'ny ekipa Lingua misy antsika. Nandritra ny taona vitsy lasa, Paula Goes no toniandahatsoratra tamin'ny tenimpirenena maro tato amintsika, nisahana ny fifandraisana teo amin'ireo tarika Lingua sy ny trano fanoratana, no...