Lahatsoratra farany an'i Imanoela Fifaliana tamin'ny Desambra, 2018
Ejipta: Nidal Hassan – Mpitsabo Aretin-tsaina sa Marary Saina?
Mpitsabo aretin-tsaina ao amin'ny tafika Amerikana izay teratany Arabo ny Major Nidal Hassan izay nanao ilay fitifirana faobe tao Fort Hood tao Texas, namonoany miaramila 12 ary olontsotra iray. Miatrika fiampangana mikasika vonoolona nokasaina izy ankehitriny. ''Mpitsabo Aretin-tsaina sa Marary Saina?'', hoy ireo blaogera Ejiptiana manontany.
Shina: Mitady Fanendrena ny Tranombakoky ny Kolikoly
Kasaina ho atsangana ao amin'ny faritany atsimo-atsinanan'i Sichuan ny tranombakoka iray momba ny kolikoly, araka ny tatitry ny China Daily, izay mitanisa avy tamin'ny gazety iray tao an-toerana. Mitady fanendrena avy amin'ireo mpampiasa aterineto hanondro ireo mpiasam-panjakana 100 voafatotry ny kolikoly be indrindra nandritra ny taonjato farany teo ilay tranombakoka.
Pakistana: Hamehana/ Onjam-peo Ilaina Maika Ho An'ireo Tràboina Tamin'ny Horohorontany
Nangataka fihetsehana avy hatrany mba hampiroboroboana ny fikorian'ny vaovao mankany amin'ireo tràboina tamin'ilay horohorontany lehibe tao Pakistana tamin'ny 8 Oktobra 2005, ny Internews,
Kyrgyzstan: FAndrafetana Dokambarotra Manafintohina, Niteraka Adihevitra Nasionalista
Tamin'ny 22 Aprily, notsikerain'ny depiote Askarbek Shadiev nandritra ny fotoam-pivorian'ny antoko ''Ak Zhol'' ny petadrindrin'ny dokambarotry ny Birao Soisa ho an'ny Fiarahamiasa. Tohina tamin'ny nametrahan'ny mpanao sary iray tsy fantatra anarana sarina lakroa fotsy iray teo amin'ny sainam-pirenen'i Kyrgyzstan ilay depiote.
Chernobyl: Taratasy Tsy Nosoratana Mihitsy
Manoratra mikasika ny zavatra niainany tamin'ny naha miaramila noterena hanompo tany Chernobyl 20 taona lasa izay (Rosiàna) ny mpampiasa LJ wall4 - avy any Lviv, Okraina, izay ankehitriny monina ao Connecticut. Arahina sary marobe miloko fotsy sy mainty an'ny tafika ilay tantara.
Ny Herinandro Tany Bahrain (5)
Ny Herinandro Tany Bahrain (5)
Fanavaozana avy amin'ny Tontolon'ny Blaogy Poloney (3)
Fanavaozana avy amin'ny Tontolon'ny Blaogy Poloney
Uyghur: Silamo Vitsy an'Isa Voaenjika any Avaratra Andrefan'i Sina
Androany, ifantohantsika ny toedraharaha atrehin'ireo Uyghur, silamo vitsy an'isa monina any Xinjiang any Sina, ny kolontsainy izay fongoran'ny governemanta fiobe sinoa, voalohany, satria noheverina ho toy ny mpitaky fizakan-tena ry zareo, ary izao dia raisina ho mpampihorohoro ihany koa, taorian'ireo fanafihana tamin'ny 11 Septambra tany Etazonia.
”Tsy Vitsika Isika” : Boky Vaovao Manindrahindra ny Fijerena ny lafitsaram-piainana
Boky sy sehatra an-tambajotra iray ny No Somos Hormigas (Tsy vitsika isika), tetikasa amin'ny teny Espaniola izay natokana ho an'ny ''fibanjinana ny lafitsaram-piainana anaty fahalalàna.'' Voatanisa ho isan'ireo tetikasa fanavaozana ara-piarahamonina hita anatin'io ny Global Voices.
Miverina Ao Timor Atsinanana Ny Herisetra
Nipoaka tao Timor Atsinanana indray ny herisetra raha toa ka niezaka ny hisambotra ilay mpitarika mpikomy, Alfredo Reinado, ny mpitandro filaminana iraisam-pirenena.