Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

imanoela fifaliana · Novambra, 2018

imailaka imanoela fifaliana

Lahatsoratra farany an'i imanoela fifaliana tamin'ny Novambra, 2018

26 Novambra 2018

India, Pakistana: Nosokafana Mba Hanampiana Ireo Tra-boina Tamin'ny Horohorontany Ny Sisintany ao Kashmir

India, Pakistana: Nosokafana Mba Hanampiana Ireo Tra-boina Tamin'ny Horohorontany Ny Sisintany ao Kashmir

22 Novambra 2018

Pakistan: Blog-o-strikes back / Pakistana: Blaogy mikasika ny dona miverina

Raha miverina amin'ny tontolon'ny aterineto, nitety ireo blaogy tiako indrindra mba hahitana ny fahana ilaina mba hanafoanana ny hery maninton'ny FOX TV

Pakistana: Valinteny Am-blaogy

Nanaitra antsika rehetra ireo vaovao voalohany mikasika ilay horohorontany lehibe izay namley ny soba-kaontinanta fa mbola nahagaga antsika kokoa ny faharavana naterak'izany sy ireo olona 18.000 maty. Mazava ho azy, blaogera Pakistaney maro no namaly ilay vaovao mikasika ity HT nanana tanjaka 7.6 ity

21 Novambra 2018

Pakistana: Blog-o-coma

Eny ary, nitranga ilay izy. Voakasoky ny kamiao lehiben'ny Hakamoana aho raha ilay teo am-pitaingenana ny Skotera Vespa natokiako teny amin'ny araben'ny aterineto, nitady blaogy marim-pototra ho asongadina ao anatin'ity lahatsoratra ity.

Pakistana: Blog-o-rama

Tsy nanao aroloha, mitaingana scooter Vespa amin'ny hafainganam-pandeha 45km isan'ora, namakivaky ny làlamben'ny aterineto aho halina, nandeha tamin'ny làlana tena mitohana be (tsy vy very ny aina) mba hitondrana aminao ity angona lahatsoratra kely avy amin'ny blaogy Pakistaney vitsivitsy mahaliana ity.

20 Novambra 2018

Azia Atsimo: Valintenin'ireo fiarahamonina an-tambajotra manoloana ny horohorontany

Azia Atsimo: Valintenin'ireo fiarahamonina an-tambajotra manoloana ny horohorontany

Mbola misy dingana manaraka bebe kokoa…

Noporofoin'i Ben Walker sy i Rebecca Mackinnon fa tsy very maina ny fihazakazahako manodidina ny efitrano niaraka tamin'ny mikrô. Nanao asa tsara izy ireo tamin'ny fanontàna ny resakay sy adihevitray ho anatina tantara fohy an-peo ho an'ny fampielezana an'onjampeo na podcast amin'ny hoavy

Pejy Vaovao ”Momba ny”

Nanoratra pejy iray vaovao aho "Mikasika ny Global Voices", hoy i Ethan Zuckerman.

Mitady Mpiandraikitra Sora-miafina Tsy Miasa Mandritra Ny Andro Iray Manontolo ny Global Voices

Ho entina milaza aminao mpamaky fa vondrompiarahamonina midadasika misokatra amin'ny rehetra ny GV , dia nitady mpanamboatra sy mpiandraikitry ny sora-miafina (tamin'ny 2013) amin'ny tranonkala izay tsy miasa mandritra ny andro iray manontolo ny Global Voices mba hanampy amin'ny fitazonana sy fanavaozana ireo WordPress sy tranonkalanay mifototra amin'ny LAMP, hiara-miasa...

19 Novambra 2018

Manoratra i Tiorkia… Desambra 2005

...tsy dia misy zavatra be tamin'ity herinandro ity...izay somary mahagaga, fa ny zavatra iray mikasika ny Tontolon'ny Blaogy dia ny hoe mandroso mihemotra ny adihevitra...