imanoela fifaliana · Oktobra, 2018

Lahatsoratra farany an'i imanoela fifaliana tamin'ny Oktobra, 2018

Japana: Noana Ao Amin'ny Tany Tondra-dronono

  29 Oktobra 2018

Nanainga ny blaogera japoney maro hieritreritra mikasika ny fiantraikan'ny politikan'ny fiahiana ara-tsosialy ao amin'ny fireneny ny tantara vao haingana mikasika ny lehilahy iray matin'ny hanoanana [Ja] noho ny tsy nahazoany ny fanampiana ara-tsosialy, izay lasa nalaza noho ny niraketany tao anaty diary ny andro farany niainany. Vakio ato ny sasany amin'ny hevitr'izy ireo mikasika izany olana izany.

Gonu no Lazan'i Koety !

(2007) Sahobakaka ambody riana ireo blaogera Koetiana, niandry ireo vaovao mikasika ilay rivodoza mandravarava Gonu, izay nahafaty olona teo amin'ny dimampolo tao amin'ny tanàna mpifanolobodirindrina amin'i Oman. Milaza amintsika ny fomba nanehoan'izy ireo ny hatezerany noho ny fanontàna iray navoakan'ny gazety teny an-toerana, izay nikendry ny handoto ny lazan'ny firenen'izy ireo i Abdullatif AlOmar, izay mamerina mijery ireo blaogy rehetra.

Rosia: Hifidy sa Tsy Hifidy?

Hifidy - sa tsy hifidy? ''Hifidy amin'ny tongotrao'' - sa hanaraka ny torohevitr'i Mikhail Khodorkovsky ary hifidy ny iray amin'ireo antoko kely indrindra tsy ''ambanianao''? Hanao ankivy ny fifidianana - sa hanimba ny vatom-pifidianana? Ho hahitsy tsara sy hanamarina ny iray amin'ireo efajoro kely fandatsahambato - sa ho lasa maditra ary hanoratra teny ratsy mameno ilay pejy?

Ahmadinejad sy i Chavez: ”Miala Any ny Resa-Pitiavana’

Tamin'ny Novambra 2007 nanao ny fitsidihany fahefatra tao anatin'ny roa taona tao Tehran ny filoha Venezoeliana Hugo Chavez mba hanasonia fifanarahana ara-toekarena bebe kokoa miaraka amin'i Iràna. Notsikerain'ireo Iraniana mpianatra sy blaogy maro mpomba ny havia ilay fifandraisana mpinamana nisy teo amin'ilay filoha ''sosialista'' Chavez sy ny Repoblika Islamika.

Ejipta: Toko Farany Taminà Raharaha Fampijaliana

Taorian'ny volana maro niandrasana sy ireo sahoan-dresaka, azo ihany ny rariny tao anatina tantara Ejiptiana izay nisy mpamily iray voalely am-body sy nampijalian'ny polisy - izay naka an-dahatsary ny heloka bevavan'izy ireo mba hanalàna baraka kokoa ny olona nampijaliany. (Fanamarihana avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: miala tsiny amin'izay tohina amin'ilay teny somary mivantambantana etsy ambony fa tsy hita izay teny malagasy mahalaza azy manokana, ka dia ny famaritana avy hatrany no natolotra anao mpamaky). Mitondra amintsika ny vaovao farany avy amin'ny tontolon'ny blaogy Ejiptiana mikasika ilay raharaha i Eman Abd Al Rahman.

Zimbaboe: Tombony azon'ny tsenambola, fivoriana ara-pivavahana natao am-pilaminana, ary tetika fanararaotra ara-toekarena

  24 Oktobra 2018

''Satria miha mahantra lalandava ny mahantra, hiha-manana fotsiny kosa ireo manan-karena ao Zimbaboe. Ao anatin' ity lahatsoratra ity, mamaritra ny fomba nitomboan'ny tsenambolan'i Zimbaboe ho 12 000 % raha oharina amin'ny tamin'ny taona lasa i Mugabe Makaipa satria lasa tafiditra ho anisan'ireo toerana vitsy azo antoka tsy dia fahita firy ary azo iarovana ny vahoaka tsy hiharan'ny fitongonganan'ny sandambola izy.''