Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

imanoela fifaliana · Avrily, 2018

Lahatsoratra farany an'i imanoela fifaliana tamin'ny Avrily, 2018

Fanentanan'ireo Vehivavy Iraniana Mitaky Fanovàna Ireo Lalàna Manavakavaka

''Manohy ny tolona ataon'izy ireo hisian'ny fitoviana zo, mihoatra lavitra ireo sakana ataon'ny fanjakana, ireo vehivavy Iraniana. Andro vitsivitsy lasa izay, nanomboka hetsika iray hanoherana ny fanavakavahana ny vondrona iray ahitàna vehivavy Iraniana mpikatroka tsy nitandro hasasarana, nampitondraina ny lohateny hoe ''Sonia Iray Tapitrisa Itakiana Fanovàna Ireo Lalàna Manavakavaka.''

Rosia: Olombelona Koa i Kadyrov

Ny 5 Oktobra lasa teo, feno 30 taona i Ramzan Kadyrov Praiminisitra, taona eken'ny lalàna ho hahalasa azy ho filoham-pirenena. Na dia nandà ho tsy nikatsaka io toerana ambony indrindra io aza izy, ireo olona sasantsany mino fa tsy ho ela dia ho tonga eo izy.

Diaspora Afrikana: Fotoan-tsarotra ho an'ireo Afrikana any Frantsa sy Belzika

"I Frantsa, Atoa Sarkozy, dia sady tsy makorelina voatery manainga ny feny amin'ny andro mosary, na fiangonana hanaikena ny fahotana rehetra rehefa miteny 'amen' na koa firenena fehezin'ny fitsipika miafina sy mampiahiahy"

Kyrgyzstan: Mihamafàna ny Vanim-potoana Politika

''Tsy nampoizina ny fanapahankevitra vao haingana noraisin'i Bakiev handroaka ilay praiminisitra Almazbek Atambaev, izay taorian'ny naha-mpikambana mpanohitra mahery azy, dia lasa praiminisitra ary niasa valo volana monja. Niteraka resabe sy famoronana teny anivon'ireo blaogera izay antony nanaovan'ny filohan'ny fanjakana izany..''

Kazakhstan: Ny Fandinihantena Ataon'ny Tontolon'ny Blaogy

''Vao haingana, toa nahaliana tampoka ny tontolon'ny blaogy Kazakhstana ny famaritana ny atao hoe blaogy sy ireo fiantraikany Namokatra andiana lahatsoratra maro saika tamin'ny fotoana mitovy mikasika ity lohahevitra ity ireo blaogera.''

Kambôdza: Moanina Nosakanana Tsy Hanangona Sonia

Miresaka mikasika ilay fanaparitahana feno herisetra an'ireo moanina izay naniry ny hanao fanangonantsonia tao amin'ny Masoivoho Vietnamiana tao Phnom Penh noho ny fitazonana tsy ara-drariny ny moaniana Kambôdziana iray, sy ny fibodoan'i Vietnam ny faritanin'i Kambôdza tamin'ny lasa, ireo bilaogera ao ivelany sy anatin'i Kambôdza.

Kazakhstan: Ala Hamohamo sy Politika

'Tonga dia niaraka nampiseho ilay hafatra ''Ndao hanao firaisana'' daholo ireo efitra fianarana 900. [...]Tsy niseho ilay Praiminisitra... ''

Kyrgyzstan: Adihevitra momba ny Filoha sy ny Parlemanta

''Mpikambana tao amin'ny Antoko Sosialy Demokatrika ary kandidà ho solombavambahoaka i Baisalov. Taorian'ilay raharaha nanahirana momba ilay vatom-pifidianana, dia nandositra ny firenena izy araka ny voalazan'ny media teny an-toerana ary milaza ny tsaho fa any Kazakhstan izy ankehitriny no mipetraka.''

Tajikistan: Ny fotoanan'ny Ranomandry. Izao

''Androany, nitatitra ireo masoivohom-baovao Tajik fa baikon'ny fanjakana ny hoe hidina hatramin'ny faran'ny volana Janoary avokoa ireo orinasan-taozavatra, orinasa sy ny indostria hafa mba hitsitsiana angovo.''

Kazkahstan: Tsy Fahombiazana sy Fanitarana Fanjakana

''Farany, nitranga ihany ilay izy - taorian'ny andiana loza maro, rehefa matin'ny fipoahana teny amin'ireo toerana fitrandrahana arintany an'ny sampana Kazakh-n'ny Arcelor Mittal tany Temirtau, ireo mpitrandraka niisa am-polony maro - nanao hetsika hentitra ny fanjakana.''