Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

imanoela fifaliana · Jona, 2017

Lahatsoratra farany an'i imanoela fifaliana tamin'ny Jona, 2017

Tonizia: Ilay vehivavy Voalohany Voaheloka 6 Taona An-tranomaizina Noho ireo Asany An-tserasera

I Mariam Zouaghi no vehivavy toniziana voalohany voaheloka vokatry ny Lalàna miady amin'ny fampihorohoana nivoaka tamin'ny 10 desambra 2003. Voasambotra tamin'ny 26 jolay 2008 i Mariam noho izy nijery ireo tambajotra Web voaràra, [...] ny fiampangana azy dia mifandray amin'ireo asany an-tserasera

Sodàna: Voasambotra Noho Ny Tsikera Manome Rariny Ny Didy Fampisamboarana Navoakan'ny CPI

Nampiasa ny tenimiafin'i Abdel Hakim ny mpitandro filaminana mba hamotehana ireo lahatsorany

Mitombo Any India : Mifampitantara Amin'ny Lahatsary ireo Tanora

ity lahatsary farany avy amin'ny Noida Public School any Delhi ity dia manome antsika fomba fijerin-dehilahy, ary manadihady ny mahatonga ny fifohan'ny adolantsento sigara ho vokatry ny olana any an-trano sy ny fitaoman'ny namana.

Kenyà : Liona Voampoizina Tamin'ny Fanafody Famonoana Bibikely

Mizara ny filazana an-gazety feno ao amin'ny Bilaogy Baraza ny Dr Paula Kahumbu, ary mitanisa ny trangana fampiasana ny Furudan mba hamonoana ireo karazana bibidia rehetra i Martin Odino, ao amin'ny blaoginy Stop Wildlife Poisoning, hita ao amin'ny vavahady WildlifeDirect.org.

Ejipta : 18 Aprily, Andro Iadiana Amin'ny Sotasota Atao Amin'ny Vehivavy

Afaka atao ny fanamarihana ireo mpanao herisetra amin'ny ranomainty eo amin'ny tarehiny izay tsy hamela marika maharitra izany, toy ilay ampiasaina mandritra ny fifidianana, rehefa mandona ny rantsan-tanany ao anatin'ny ranomainty ireo efa nifidy

Ny Fanaovana Lohamboto no vahaolana

Tao anatina lahatsoratra lava be anankiroa, mamaritra ny zavatra hitany (Arabo) i Mohamed; sabatra, antsy, tapa-kazo, fividianana vatom-pifidianana, tsy fihetsehan'ny polisy, jiolahimboto mandrangitra mpifidy, fifandonana teo amin'ny MB sy jiolahimboto, fiara vaky fitaratra anoloana.

Afrika Atsimo : Fotoana Handihizana Diski Izao

Maro ireo tenifototra, famantarana sy singa-marika ofisialy mamaritra ireo hetsika ara-panatanjahantena maneran-tany. Tsy misy hafa amin'izany ny Fiadiana Ny Ho Tompondaka Erantany FIFA 2010 any Afrika Atsimo amin'ity taona ity. Ananantsika ny singa-marika ofisialy, ny endrika famantarana ofisialy (Zakumi), ireo famantarana voapetaka ofisialy, ary amin'izao – ananantsika ny dihy ofisialy!

Kazakhstan: Toekarena sy bilaogy

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2009) Miresaka mikasika ireo maodelin'ny fitondrantenan'ny vahoaka ao Kazakhstan eo anivon'ny fiarahamonina ny Megakhuimyak… [ru]: Tian'ireo olona aty amin'ny Firenena an-dàlam-pandrosoana manokana ny mandany ny volany amin'ny fisehosehoana, indrindra, rehefa misy hidirany amin'ny lanonam-panambadiana. Vao nisy mpifankatia nanambady, fa efa dolara an'aliny sahady no lany. Avy eo mandoa...

Rahonan'ny Polisy Amin'ny Alàlan'ny Twitter Hoe Hosamborina ireo Maldiviana Bilaogera Any Ivelany

Maldiviana efatra mpitoraka bilaogy sady mpikatroka izay mipetraka any ampitan-dranomasina ho nandefasana didy fisamborana avy any amin'ny polisy tamin'ny herinandro lasa teo. Araka ny fahitana azy dia toa nokendrena izy ireo satria manondrotra ny tsy fironana amin'ny finoana, na izy ireo tsy mpino.

Mbola Manivàna Ny Tranonkalan'ny Mpifanandrina sy Mpitsikera Indray Ny Manampahefana Palestiniana

Mpitsikera ny Manampahefana Palestiniana sy ny Filohany, Mahmoud Abbas, ireo tranonkala voasakana.