Lahatsoratra farany an'i Imanoela Fifaliana tamin'ny Desambra, 2011
Liberia:Nomena Anjara Masoandro Indray Ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety
Namome fotoana kely nisehoan'ny rariny ny fitsarana mikasika ny fanakatonana ny haino aman-jery nahitana fifanoheran-kevitra tany Liberia. Nakaton'ny governemanta Liberiana ny tranon'ny haino aman-jery miisa telo (Love FM/TV, Power FM/TV ary ny Kings FM) tamin'ny 7 novambra 2011 noho ny fitorohana azy ireo no nanely hafatra fifankahalana toa hitarika herisetra.
Pakistana: Nahatonga Resa-be Tao Amin'ny Aterineto ny Fanaratsiana ny Ara-politika
Hira iray navoaka tao amin'ny Youtube vao tsy ela akory izay, nataonà tarika zatovolahy maromaro avy any Lahore, no lasa nahatonga resa-be tao anaty aterineto. Ilay tononkira dia tena feno fitsikeràna ny raharaha ara-politika, zavatra iray izay tena tsy mbola fahita tao Pakistan hatramin'izay.
Malaoi: Mihaona amin'i Steve Sharra, mpanoratra eto amin'ny Global Voices
Miresaka amin'ny Mpanoratra Malaoita ao amin'ny Global Voices Steve Sharra i Linda Annan . Mpitoraka bilaogy i Sharra, mpanao gazety mahaleo tena, mpampianatra sady manonta boky fampianarana. Eto amin'ity tafatafa ity, dia miresaka mikasika ny toeran'ny haino aman-jery Malaoita i Steve Sharra, eo ihany koa ny tontolo arak'asa ananany ary ny fironany amin'ny fanabeazana, ny fampianarany ary ny fanoratany.
Rosia: Fitaovana Fakàna Horonantsary Miafina Nampiseho Fampielezan-kevitra Tsy Ara-dalàna Tao An-tsekoly.

Ny zava-niseho nateraky ny fakàna sary miafina tao an-tsekoly tany Krasnoyarsk, Siberia dia naneho olana manan-danja any amin'ny sekoly Rosiana: ny mpampianatra manohana ny antoko eo amin'ny fitondrana, ny United Russia.