Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Candy · Aogositra, 2010

Currently doing multimedia studies, and translator for Global Voices Lingua Malagasy.
You can read her Malagasy blog here or her English blog here

imailaka Candy

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Aogositra, 2010

04 Aogositra 2010

Fanampim-baovao mivantana momba ny fitsapankevi-bahoaka any Kenia

Mifidy androany ireo olom-pirenena Keniana amin'ny fitsapankevi-bahoaka ho an'ny lalàm-panorenana vaovao. Azonao atao ny manaraka ireo fanampim-baovao mivantana ao amin'ireo vohikala Keniana ary koa ny mahazo tati-baovao momba ireo tranga mifandraika amin'ny fitsapankevi-bahoaka ao amin'ny uchaguzi.co.ke.

03 Aogositra 2010

Maneran-tany: Mikendry ny hampivelatra ny aterineto web ny Mozilla Drumbeat

Ny Mozilla Foundation, mpamorona ny fitetiala Firefox, dia namoaka ny Drumbeat, tetik'asa mikendry ny hanangonana olona avy amin'ireo sehatra maro samihafa indrindra sy avy amin'ny faritra maro maneran-tany, handinika ireo tetik'asa hanandratana ny fisokafan'ny tontolon'ny aterineto.

02 Aogositra 2010

Qatar: Manontany izay tetikasa amin'ny hoavy ireo miasa ivelan'ny tanindrazana

Raha mponina efa ela tany amin'ny iray amin'ireo firenen'ny GCC ianao, inona ireo tetikasa maharitra anananao? Inona no hataonao rehefa tafaverina an-tanindrazana? Ao amin'ny Qatar Living, miezaka mamaly ny fanontaniana tsy azo idifiana ireo niala ny tanindrazany: Inona no hataony rehetra miverina an-tanindrazana izy ireo?

Maraoka: Blaogin-tsary vaovao an'i Agharass

Ilay mpitoraka blaogy Maraokana Agharass dia fantatra amin'ny blaoginy malala-pijery miaraka amin'ireo lahatsoratra (amin'ny teny Frantsay) momba ny lohahevitra isan-karazany manomboka any Palestina ka hatrany amin'ny kolotsaina pop, matetika voaravaka amin'ireo sary avy amin'ilay mpitoraka blaogy manokana. Agharass izao dia manana blaogin-tsary antsoina hoe "Portfolio de Agharass!"

01 Aogositra 2010

Qatar: Mizaka ny fanovàna laharan'antso ho isa valo ireo mponina

Ao anatin'ny ezaka ho fiatrehana ny filàn'ny ampitso, novain'i Qatar ny ankamaroan'ireo laharan'antso rehetra na finday na ny mampiasa tariby, miala amin'ny isa fito hanjary ho valo. Mitaraina ny mponina, saingy mahita fa toa mora ihany tsy araka ny noeritreretina ilay fiovàna.