Candy · Jolay, 2010

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Jolay, 2010

Japana: Ilay Mahery fo, Sakamoto Ryoma

Matoky tena, hentitra sy to teny, ary kinga fatratra, Sakamoto Ryoma (坂本龍馬) dia iray amin'ireo olon'ny tantara tian'ny Japoney indrindra foana. Vao nanomboka nandefa ny tantara mitohy Ryomaden (龍馬伝: 'Ny tantaran'i Ryoma') ny NHK tamin'ny volana Janoary, dia teraka ny fankafizana an'i Ryoma manerana ny firenena.

11 Jolay 2010

Japana: Nodimandry i Kazuo Ohno, fanta-daza amin'ny Butoh

Kazuo Ohno, manan-talenta fanta-daza ary iray amin'ireo ray mpamorona ny Butoh, dia nodimandry tamin'ny 1 Jona teo amin'ny faha-103 taonany. Ny Butoh dia dihy fiomanana niforona tany Japana taorian'ny Ady Lehibe Faharoa, miavaka amin'ny fandokoana ny vatana ho fotsy sy ireo fihetsika maneho hevitra sy fijaliana.

02 Jolay 2010

Maneran-tany: Tsy matoan-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao ny fiparitahan'ny solitany

Misarika ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao ilay fiparitahan'ny solitany tany amin'ny Elodranon'i Meksika, vokatr'izay fanapotehana noho ny tsy fahaiza-mitantana ny fitrandrahana solitany. Na izany aza, any amin'ireo toerana sasany maneran-tany, miaina miaraka amin'ny fandrarahana poizina toy itony ny olona, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no hiezahan'ny vahoaka hisintonana ny sain'izao tontolo izao amin'ny fijalian'izy ireo.

01 Jolay 2010

Bangladesh: Miverina ny Hartal

Fihetsiketsehana any Dhaka. Sary avy amin'ny Flickr-n'i Vipez. CC BY-NC-ND Taorian’ny fitsaharana nandritry ny telo taona, niverina indray ny Hartal any Bangladesh, endrika iray fanao any µAzia Atsino rehefa manao...

01 Jolay 2010