Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Erikah · Marsa, 2011

imailaka Erikah

Lahatsoratra farany an'i Erikah tamin'ny Marsa, 2011

28 Marsa 2011

Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe

Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana...

23 Marsa 2011

Japana: Tetikasa ara-kolontsaina ho fiaraha-mientana noho ny horohorontany

Tetikasa ara-kolontsaina miisa telo mifandray no nivoitra vokatry ny fahasimbana naterak'ilay horohoron-tany sy ny tsunami (tondra-drano mahery vaika) izay nianjady ny faritry ny morondrano avaratr'i Japana tamin'ny zoma farany teo dia ny 11 Martsa, taona 2011 izany. Nanporisika ny olona izy ireo teo amin'ny asa ara-kolontsaina sy teo amin'ny famoronana...

19 Marsa 2011

Iran: Mpiandry saha miisa efatra nisaonan'ny mpitoraka bilaogy miaro ny natiora

Nanaitra ny mpitoraka bilaogy miaro ny natiora ny fahafatesan'ireo olona efatra mpiandry saha ao Iran vao haingana kely izay. Novonoina ary nesorina mihitsy ny ain'ireo tovolahy miisa efatra ireo tao amin'ny tanàna iray tao Sanandaj tao amin'ny faritr'i Iran any Kuridstan. Nasain'ny mpamorona ilay vohikala  Green Wave (sary etsy ambony)...

16 Marsa 2011

Panama: Mpanao gazety voaroaka

Noroahana ilay mpanao gazety Espaniola Paco Gómez Nadal rehefa avy notazonina tamin'ny faha 26 Febroary nandritry ny hetsi-panoherana nataon'ny mponina zanatany mikasika ny fanavaozan-dalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany ao Panama. Na teo aza ny fanomezan-toky nataon'ny filoha Ricardo Martinelli hanafoana ilay fanavaozana ny fehezan-dalàna faha 8 mifehy ny harena...

11 Marsa 2011

Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy

Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed...

08 Marsa 2011

Amman: Marika Famoronana Ho Amin'ny Fanovàna Tanatin'ny Hetsi-panoherana Tao Amman

Mbola nisy hetsi-panoherana hafa indray ny andro zoma nitaky fanavaozana tao Jordania natao tao afovoan-tananan'i Amman androany (4 Martsa). Taorian'ny herinandro izay nahitana fahadisoam-panantenan'ny rehetra nohon'ny lahateny nataon'ilay praiministra voatendry vao haingana sy ny fanambarana tsy nahafa-po sy nandranitra nataon'ireo ministra teo aloha sy ny mpikambana tao amin'ny antenimieran-doholona, dia...

05 Marsa 2011

Maoritania: Mety hidina an-dalam-be ve ireo mpanohitra rahampitso [alarobia]?

Nidina an-dalam-be ireo mpanohitra tao Maoritania tamin'ny zoma nitaky fanavaozana ara-politika sy ny fitsaharan'ny fitsipiky ny filoha Mohamed Ould Abdel Aziz. Mbola nanohy ny fitokonana ny tanora ny andro manaraka. Nanao tatitra i @abbassbraham fa mbola hiverina ho eny an-dalam-be ireo mpanohitra rahampitso.

02 Marsa 2011

Lahatsary: Hazakazaka am-bisikilety midina an-tendrombohitra mahavariana anaty tanàna

Eny amin'ny toerana voajanahary matetika, ahitana ny mpitaingina bisikileta mifampitana amin'ny hazo, hantsana ary sakana maro samihafa no ahitana ny hazakazaka am-bisikileta atao amin'ny fidinana. Ireto lahatsary manaraka ireto dia nizotra tamin'ny toerana maro samihafa: Na afovoan-tanàna.