Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Erikah · Aogositra, 2010

imailaka Erikah

Lahatsoratra farany an'i Erikah tamin'ny Aogositra, 2010

27 Aogositra 2010

Rosia: Fanohanana ireo niharam-boina tamin'ny lelafo amin'ny alalan'ny famatsiam-baovao amin'ny aterineto

Akon'ny RuNet

Mbola niparitaka hatrany ny afo tao Rosia nanomboka tamin'ny herinandro lasa teo, izay nampikorontana ny mponina an'arivony. Nisy vohikala vaovao iray niforona ary mampiasa ny fitaovana Ushahidi, Russian-fires.Ru, izy io dia tsy mamoaka an-tsary ny toerana nitrangan'ilay lelafo fa mampifandray ireo mponina mila fanampiana sy ireo manam-paniriana ny hanampy azy...

21 Aogositra 2010

Chili: Adihevitra nateraky ny famoahan'ny fiangonana Katolika Siliana tolo-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka

Namoaka tolo-dalàna ny fiangonana Katolika Siliana mikasika ny tokony hamelàna ny helok'ireo olona sasany voaheloka noho ny fanitsakitsahana ny maha-olombelona. Niteraka adihevitra io tolo-dalàna io teo amin'ny tontolon'ny blaogy, satria tafiditra ao anatin'izany fangatahana izany koa ireo olona voaheloka tsy am-pisalasalana noho ny fanamavoana ny zon' olombelona nandritry ny fotoana...

06 Aogositra 2010

Serbia: Mpanao gazety iray nisy nanafika tanaty zotra fitateram-bahoaka

Nisy namono teny ambony fiarakodia lehibe iray mpitatitra olona i Teofil Pancic, mpanao gazety fanta-daza iray teratany Serba tamin'ny asabotsy. Manazava ny fihetsiky ny mponina amin'ny aterineto Serbiana sasany momba izany i Sinisa Boljanovic.

05 Aogositra 2010

Brezila: Lalàna vaovao mametra ny doka ara-tsakafo nampikorontana ny orinasa lehibe

Nametraka fitsipika eo amin'ny fiovana hitranga eo amin'ny dokam-barotra momba ny sakafo ny masoivoho federalin'ny firenena Breziliana manara-maso ny lafiny ara-pahasalamana, dia ny fametrahana fampitandremana misoratra eo amin'ny fonon'ilay sakafo, ary hentitra dia hentitra ny fihetsiky ny orinasa voakasik'izany manoloana izany toe-javatra izany. Afaka miteny ny heviny ve ny mpanjifa...