Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Marsa, 2015
Tsy Voasazy Ny Fanitsakitsahana Ny Lalàna Momba Ny Bilaogera Ao Rosia
Hatramin'ny nampanan-kery tao Rosia ilay 'lalàna ratsy laza momba ny bilaogera', fito volana lasa izao, 67 no fanitskitsahana azy voarakitry ny Roscomnadzor, saingy tsy iray monja ny bilaogera voasazy noho ny fanafintohinana na fahadisoana ara-pinoana.
Lahatsary Misy Olon-tsotra Iray Lazaina Fa Darohan'ny Miaramila, Nahatohina Ny Tao São Tomé Sy Príncipe
Ilay sary lazaina eto dfia mampiseho tovolahy iray mipetraka amin'ny tany, tsy mitafy afa-tsy atin'akanjo, raha ireo miaramila kosa—raha ny fahitàna azy dia toa manamboninahitra ambony ao amin'ny Tafika Mitam-piadiana ao São Tomé sy Príncipe—midaroka azy tsy misy indrafo
Mba Tsy Hitenenana Betsaka, Nahasarika Ny Kabarin'i Netanyahu Tao Amin'ny Kaongresy
Ao Etazonia sy any amin'ny faritra sasany, tsy toy ny mahazatra fa saiky niiba daholo ireo fanehoankevitra nalefan'ireo olontsotra mampiasa aterineto sy olona manana ny lazany momba ilay kabarin'i Netanyahu.
Hampianatra Amin'ny Fiteny Swahili I Tanzania
Tamin'ny Febroary lasa teo, nanavao ny rafitra fanabeazana ao aminy i Tanzania. Isan'ireo fiovàna goavana nataony ny fametrahana ny fiteny swahili ho teny entina mampianatra any an-tsekoly.
Saripika Roa Ambitelopolo Ahitàna An'i Afganistana Vaovao
Aaquib Khan, Indiana mpaka sary fanao an-gazety, nandeha nisidina hijery an'i Kabul renivohitra Afgàna, izay nalaky nivoa be tamin'ny 2014. Nifampizaràny tamin'ny Global Voices izay hitany tao anatin'ny tanàna.
Ny Fanenon'ny Sabatra Faran'izay Maranitra, Naverina Nokiraina Tao Ejipta Mba Hanesoana Ny ISIS
Ejiptiana maneso ny "hiram-pirenen'ny" ISIS tamin'ny alàlan'ny fampakàrana lahatsary tao amin'ny YouTube, ahitàna ireo mpandihy miolankolana amin'ny tonon'ilay hira.
Politisiana Rosiana Mpanohitra: Maty Voatifitra Tao Maosko i Boris Nemtsov
Maty voatifitra tao Maosko i Boris Nemtsov, endrika fantatra loatra eo anivon'ny fanoherana ary tena sangany amin'ny fanakianana an'i Putin.