avylavitra · Febroary, 2011

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Febroary, 2011

Tonizia: Miala any ny Ady ho an'ny Demaokrasia

Iray volana eo izao no nandosiran'ilay filoha Toniziana teo aloha, Zine El Abidine Ben Ali, ka nandeha nialokaloka any Arabia Saodita, tao anatin'ireo fitakiana maro nifanesy nanerana ity firenena ao Avaratr'i Afrika ity nitakiana ny fialàny. Ho an-dry zareo Toniziana, na izany aza, tsy mbola vita akory ny ady ary ny fanendahana ilay mpanao jadona tsy midika velively fa tapitra hatreo ny jadona. Ny marina, matetika ny Toniziana no mamaritra ny fitondrana jadon''i Ben Ali nandritra ny 23 taona ho toy ny orita voatapa-doha, fa tsy ny tanany.

Alzeria: Mpanao Fihetsiketsehana Voasambotra, Voadaroka tamin'ny Diaben'ny #Feb12

Efa nahafaka mpanao jadona roa sahady ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tonizia sy Ejipta saingy ny manampahefana Alzeriana kosa mbola nahita fahombiazana hatrany amin'ny fanakanana ireo hetsi-panoherana izay nanomboka avy hatrany taorian'ny hetsiky ny Toniziana tany am-piandohan'ny volana Janoary 2011. Ireo saripika sy lahatsary eo anivon'ny aterineto dia mampiseho ny fisamborana sy ny herisetra ara-batana natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Kioba: “Operation Cyber-Mambí”

  13 Febroary 2011

Nisy resaka betsaka nandeha ny amin'ny hoe mety hahita làlana ho tonga hatrany Karaiba ve ny fanahin'ny fanoherana niainga avy any Ejipta sy Tonizia. Raha ny fanakatsoana ny tsena anatiny amin'ny resaka fampahalalam-baovao ataon'ny governemantan'i Castro no rindrina manasaraka ny Kiobana tsy faly sy ny fihetsehana, tsy dia nahagaga loatra an'ireo mponin'ny aterineto araka izany ny hetsika natao tsy ela akory izay, mampiasa mpitoraka bilaogy "manohitra-fiovàna" hifanandrina amin'izy ireny.

Ejipta: Afaka i Kareem Amer

Ilay Ejiptiana mpitoraka bilaogy malaza Kareem Amer, fantatra amin'ny anarana hoe Abdulkareem Nabeel Sulaiman, dia nafahana, bitsika voamarina androany ireo. Kareem, izay niaraka tamin'ilay mpamokatra sarimihetsika mahaleotena Samir Eshra, dia 'nalaina an-keriny' andian-jiolajimboto rehefa nandao ny kianjan'i Tahrir ny 7 Febroary teo, natolotra ny mpitandro filaòinana avy eo ary nalefa tany aminà fonja miaramila tany " anivon'ny tany efitra."

Ejipta: Mitohy ny firavoravoana noho ny fametraham-pialàn'i Mubarak

Mitohy ny firavoravoana manerana izao tontolo izao taorian'ny vaovao nilaza fa nandao ny tanàna i Hosni Mubarak. Ilay mpanao jadona, izay nifehy an'i Ejipta nandritra ny taompolo telo, ary nandà ny hametra-pialàna tao anatin'ny 18 andro nisian'ny hetsi-bahoaka tsy nitsahatra nanehoan'ireo Ejiptiana ny fangatahan-dry zareo ny hialàny amin'ny fitondràna amin'ny fomba faran'izay milamina, dia niala ihany nony farany.

Iran: Manohitra amin'ny anaran'ny Ejipta sy Tonizia

Ireo mpitarika ny fanoherana Iraniana, Mir Hussein Mousavi sy Mehdi Karubi, dia nangataka alàlana hanao famoriam-bahoaka ho fanohanana ny hetsi-panoherana any Ejipta sy Tonizia, amin'ny 14 Febroary (25 Bahman) raha ny voalazan'ny tranonkalan-dry zareo. Nanosika mafàna fo maro hametraka ny 'dian-tànana maitsony' eo anivon'ny aterineto ireo vaovao.

Ejipta: Andro faha-15 Mitohy ny hetsika goavana

Mitohy mampihovitrovitra an'i Ejipta manontolo ny hetsi-panoherana efa ho 15 andro misesy, mangataka ny hialàn'ny fitondran'i Mubarak. Raha mbola tsy mitsaha-mitombo ny olona tonga ao an-kianjan'i Tahrir ao afovoan'i Kairo, fitorevahana iray koa no mitohy eo ivelan'ny tranoben'ny Parlemanta. Androany koa, nanomboka ny fitokonan-dry zareo ny mpiasa; nanatevin-daharana ny mpanao fihetsiketsehana ny eny amin'ny ambaratonga ambony, ary nanomboka nahita ho lazaina ireo mpanao gazety Ejiptiana.

Libanona: Feo fanohanana ireo Ejiptiana mpanohitra

Nivatravatra mihitsy ny tontolon'ny fitorahana bilaogy Libane amin'ny fanohanany ny hetsi-panoherana Ejiptiana izay niteraka faty olona 150 hatreto. Tsy nitazam-potsiny tamin'izao ireo Libane mpitoraka bilaogy, nefa ny tontolo Arabo no manatri-maso ny zava-misy izay mety hanova tanteraka ny aty amin'ny faritra. Toy izao no fandraisan-dry zareo azy.