Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Mey, 2017
Mahery Fo Roa Tratry ny Fanafihana Tamin'ny Asidra, Eny ambony Fandrian'ny Hopitaly No Manàla Fanadinana
Tsy navelan'i Seema Basnet sy Sangita Magar ho vato misakana ny fianaran'izy ireo ny ratra nanjo azy.
Tatitry ny Mpisera: Fanjakana ao Kenya sy Meksika, Manahy Fanodinkodinana Twitter Ny Olona
Satria tondraka ny familivilian-tsaina ara-tsosialy ao amin'ny Twitter, mibahana tranonkala maromaro i Venezoelà, ary ny Facebook mizotra mankany amin'ny ady amin'ny vaovao sandoka ao Frantsa.
Volavolan-dalàna Mety Hitakiana Amin'ireo Ejiptiana ny Hanoratany Ny Anarany Any Amin'ny Fanjakana Rehefa Mampiasa Media Sosialy
Mety hiatrika fidirana am-ponja mandritry ny volana enina miampy fandoavana sazy ara-bola ireo mpampiasa tsy manoratra anarana.
Bahanan'ireo Manampahefana Omani ny Fidirana amin'ny Gazetiboky Mowatin Ety Anaty Aterineto
Ny Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, ary ora maromaro taorian'ny niverenany namoaka lahatsoratra, no nofinidin'ireo manampahefana Omani hibahanana ilay gazetiboky tsy miankina.
Nandritra ny Fitsidihany Tao Nizeria, Narehitry ny CNN Indray ny Adin'ny Vary Jollof tao Afrika Andrefana
Kiakan-katezerana no nanakoako nanerana an'i Nizerià rehefa napetraky ny mpanao gazety avy amin'ny CNN tamin'ny toerana manahirana ny minisitry ny fampahalalambaovao ao amin'ny firenena, taminà fanontaniana iray mandranitra momba ny sakafo malaza iray ao an-toerana.
“Ady Masina” Nataon'ny Ministry Ny Tontolo Iainana ao Filipina, Zarainy Ao Amin'ny Facebook Ny Fitsidihany ireo Toeram-Pitrandrahana Mitafo Lanitra
"Hitako nazava tsara fa novonoin'ireo fakon'ilay toerana fitrandrahana ny fihariana ara-toekaren'ilay faritra manontolo," hoy ny nosoratan'ny sekreteran'ny tontolo iainana tao amin'ny pejiny Facebook .
Ao Paragoay, Fampiharana Iray Hianarana “Tsy Ankiato” Ny Teny Anglisy, Namboarina Avy Hatrany Tamin'ny Teny Guaraní
Tian'ilay fampiharana hokatsahana "Guaranglish" izay hampifanarahana ny fianarana teny Anglisy ho an'ireo mpiteny Guarani ... ary ny teny Guarani ho an'ireo mpiteny Anglisy.
‘Efa Niteny Taminareo Izahay': Fidirana Tsy Ara-dalàna Nataon'ny Polisy Federaly Aostraliana Tamin'ny Rakipeon'ny Resaka An-Telefaona an'ireo Mpanao Gazety
Mba hihazàna ny fiavian'ireo vaovao tafaporitsaka, nohitsakitsahan'ny polisy Aostraliana ny lalàna tamin'ny nidirany tsy nisy didim-pitsaràna tamin'ireo rakipeon'ny resaka an-telefaonin'ny mpanao gazety iray.
Ivontoerana Rosiana Fanohanana Ara-tsaina, Namingavinga sy Nandroaka Pelaka Niantso ny Laharany
Tandremo rehefa miantso ny laharan'ny “FROG,” ivontoerana iray fanohanana ara-tsaina ao St. Petersburg; mety mila fanohanana bebe kokoa noho izay nilainao talohan'ny nandraisanao ny telefaona ianao aorian'ny antso ataonao.
Tena Lalao Baolina Kitra Ny an-dry Zareo Aziatika Afovoany ao Amin'ny Twitter
"Tsy tafiditr'i Maksadbek Alimov ny baolina tokony hampihena mazava ny elanelan'isa ho an'i Alai teo amin'ny minitra faha-43. долбоёб no iantsoan'ilay rangahy ato aorinako ato an'lery."