avylavitra · Febroary, 2012

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Febroary, 2012

Maldives: Voamariky ny Herisetra

  10 Febroary 2012

Nandray kihon-dalana mahatsiravina ny olana politika ao Maldives tamin'ny Alarobia teo rehefa nodarohan'ny polisy an-kerisetra sy noratrainy ireo mpanohana ny filoha teo aloha, Mohamed Nasheed, teo ampanaovana hetsi-panoherana manohitra ny lazain-dry zareo ho fanonganam-panjakana nahatonga ny fanesorana teo amin'ny fitondrana ny filoha voalohan'ity nosy ity voafidy tamin'ny fomba demaokratika.

Tonizia: Tatitra Momba Ny Fanapahan-kevitry Ny Fitsarana Momba Ny Fandàvana Ny Laharam-boninahitra hoe Filoha “Mpisolo Toerana Vonjimaika”

Mandà ny honohono nalefan'ny gaety iray any an-toerana ny biraon'ny fiadidiana ny fitondram-panjakana, izay milaza hoe ny 13 Febroary, dia hamoaka didy ny fitsarana iray ao an-drenivohitra, mikasika ny fampiasàna ny teny hoe "mpisolo toerana" nataon'ny mpampahalala vaovao eo ambany fiahian'ny fanjakana rehefa nanondro ny filoha ankehitriny Moncef Marzouki sy ny governemantany.

Pero: Fiomanana Tamin'ny Diabe Goavana Ho An'ny Rano

  09 Febroary 2012

Tafiditra ao anatin'ireo hetsika hanoherana tetikasam-pitrandrahana Conga ao Cajamarca, niainga tao Cajamarca ny 1 Febroary ny "Diabe goavana iray ho an'ny Rano". Teny anivon'ny media sosialy dia nizara ny zotra hodiavina, lahatsary, saripika, saribe sy ny fanehoan-keviny ireo mpiondana aterineto.

Boky Vaovao Momba Ny Ady Erantany Ho An'ny Fahalalahan'ny Aterineto

Fomba ahoana no hahazoana antoka fa hoe ny aterineto dia mivoatra mankany amin'ny làlana iray hifanindran-dàlana amin'ny demaokrasia? Ary ahoana no fomba hahatonga antsika ho "mpiondana aterineto" mandray andraikitra ho an'ny hoaviny ara-dizitaly? Io no lahahevitra nofinidin'i Rebecca McKinnon ho an'ny boky vaovao nosoratany: "Fifaneken'ireo mpifandrohy: Ady Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Aterineto."

Kambodza: Fahatoranana Faobe Any Amin'ireo Orinasa Fanenoman-damba

  05 Febroary 2012

Hitranga amin'ny herinandro ho avy io ny Tribonalim-Bahoaka voalohany indrindra ao Kambodza momba ny Karama Farany Ambany Azo Iainana sy ny Fepetra Mendrika Hiasàna ho an'ireo mpiasa aminà orinasa fanenoman-damba izay hiresaka, ankoatry ny zavatra hafa, ny haratsin'ny fepetra fanatanterahana asa any anaty orinasa fanenoman-damba any izay niteraka trangam-pahatoranana tmpiasa an'arivony tany amin'ny toeram-piasàny.

Yemen: Lasa Niaraka Amin'ny Vono olona Nataony i Saleh…Misitraka Famotsoran-keloka izy

Tamin'ny 8 Desambra 2011 ny Filankevitry ny minisitra Yemenita dia nanao sonia ny lalàna izay manome famotsoran-keloka araka ny lalàna ho an'ilay filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh mifanaraka amin'ny fifanarahan'ny GCC (Fifanaraham-piaraha-miasa any amin'ny faritry ny Golfa), na teo aza ireo hetsi-panoherana nanerana ny firenena nangatahana ny hitsaràna an'i Saleh noho ny namonoany an'ireo mpanao hetsi-panoherana. Hampandalovina holaniana eo anatrehan'ny parlemanta mba hivadika ho lalàna ilay drafitra. Maneho hevitra an-katezerana sy anaty fahadisoam-panantenana ireo mpionana aterineto.

Kyrgyzstan: “Tsy Hisy Ririnina Amin'ity”

  04 Febroary 2012

Midoboka ireo governemanta, mivezika etsy eroa ireo mpitarika parlemantera ary satria rehefa tapitra ny vanintaona iray dia manomboka kosa ny iray hafa. Izany, farafaharatsiny, no noheverin'ireo Kyrgyz mpampiasa aterineto talohan'ny fanambarana miezinezina nataon'ilay mpifaninana ho floham-pirenena teo aloha Arstanbek Abdylayev fa hoe “tsy hisy ririnina amin'ity”.

Malezia: Sakan'ny Temiar Sy Ny Zon'Ireo Vazimba Teratany

  03 Febroary 2012

Olona zanatany Temiar valo (fantatra koa amin'ny hoe Orang Asli) any Malaysia no voasambotry ny polisy noho ny fanandraman-dry zareohametraka sakana sy nandràra ireo mpitevy ala tsy hiditra ny tanànan-dry zareo ao Gua Musang, Kelantan. Toherin'ireo mponina ao an-tanàna ny tetikasam-pambolena noraisin'ny governemanta ao an-toerana izay ilàna fanapahana hazo ala ao amin'ny tany navelan'ny razamben-dry zareo. Mihetsika ny mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mafàna fo mpiondana aterineto.