avylavitra · Jona, 2011

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Jona, 2011

Ejipta: V na hoe Virijiny sa tsia?

Taorian'ny fanamarinana ilay vaovao manafintohina momba ny fitsirihana ny maha-virijiny na tsia an'ireo vehivavy nanao hetsi-panoherana izay voatàna nandritra ny revolisiona Ejiptiana, hatezerana moa izany, tsy ireo vehivavy Ejiptiana ihany, fa hatramin'ny lehilahy izay tsy nety nino mihitsy fa hoe ireo niady ho an'ny fahamendrehana sy ny fahalalahana no hisetrasetrana amin'ny fomba mahamenatra tahaka izany.

Siria: Manao Hetsi-Panoherana ho an'ny Hoavin'ny Ankizy

Miteny anatinà andian-dahatsary mahavaky fo ao amin'ny Youtube ireo tanora tra-doza tao Siria, milaza amin'ny antsipirihany ny zava-doza niainan'izy ireo sy ny fianakaviany andro aman'alina nandritra ireo fotoanan'ny revolisiona tao amin'ny fireneny nanoherana ny fitondran'i Bashar Al Assad. Ny hetsi-panoheran'ny androany Zoma dia natolotra ho an'ireo ankizy Siriana sy ny ho avin'izy ireny.

Ejipta: Manapaka ny Tsipika Mena; Mampiaka-peo Manohitra ny Tribonaly Miaramila

Volana vitsy lasa izay, ny fandehananao akaiky loatra ny Tranobe Fitsarana Miaramila ao amin'ny distrikan'i Nasr, ao Cairo, dia efa mety hitondra anao any am-ponja. Nefa ny 31 May teo, sehatra nanaovana fihetsiketsehana ho fanehoana firaisankina amin'ilay mpanolotra fandaharana ao amin'ny OnTv, Reem Maged, sy ilay mafàna fo amin'ny resaka sosialy sady bialogera Hossam El Hamalawy, ary ilay mpanao gazety Nabil Sharaf El Din ny teo amin'ny manodidina an'ilay faritra.

Tetikady Fampiasàna Finday Rehefa Mandray Anjarana Aminà Hetsi-Panoherana Am-Pilaminana

GV Mpisolovava  03 Jona 2011

Raha toa ianao mandray anjara aminà hetsika atao am-pilaminana amin'ny maha-mpanao gazety, mpiaro zon'olombelona, na mafàna fo, dia fitaovana sarobidy tokoa ny findainao. Fitaovana izy ahafahanao mifandray amin'ny namana, mandrakitra ny hetsika, ary ho vavolombelon'izay rehetra mitranga manodidina anao. Mandritra izany, tokony hitandrina zavatra vitsivitsy ianao amin'ny fampiasana ny findainao sy ny fifandraisana. Ity toro-làlana manaraka ity izay nivoaka tao amin'ny Mobile Active [Ang] dia afaka manampy anao hampiasa tsara ny findainao mandritra ireo hetsika am-pilaminana sady, mandritra izany, miaro tsara koa ny tenanao.