avylavitra · Janoary, 2011

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Janoary, 2011

Naato ve ny sivam-panjakana amin'ny aterineto Toniziana?

GV Mpisolovava  15 Janoary 2011

Nanaraka an'ireo fnoherana midongizina ao Tonizia tato anatin'ny andro vitsivitsy sy ny fitokonana faobe mananontanona ny ampitso, nikabary tao amin'ny fahitalavi-panjakana Tunisie7 , ny Filoha Toniziana Ben Ali io hariva io ary feno fileferana betsaka tsy toy ny mahazatra. Isan'ireo teboka maro hafa ny filazàny fa tsy mikatsaka ny ho...

Sina: Lehilahy iray voasambotra fa nitoraka bilaogy momba ny fitokonan'ny mpamily fiarakaretsaka

GV Mpisolovava  15 Janoary 2011

Voalazan'ny NDdaily fa lehilahy iray fantatra amin'ny anarana hoe  Atoa. Zhou no voasambotra noho izy nitoraka bilaogy kiritika mikasika ny fitokonan'ireo mpamily fiara karetsaka tao an-tanànan'i  Xianning tao amin'ny faritanin'i Hubei tamin'ny 19 Desambra 2010 fa voampanga ho “nikarakara famoriam-bahoaka hanelingelenana ny filaminana ara-tsosialy”. Mbola voatàna any amin'ny polisy foana...

Jordania: Mety Hitarika amin'ny fialàn'ain'ny Governemanta Arabo maro Hafa ny Fanoherana Toniziana

Arakaraky ny itohizan'ny herisetra, dia toy izany koa ny valin-kafatra sy ny fanehoan-kevitra ao Jordana. Maro ireo Jordaniana mpampiasa twitter no nifantoka tamin'ny fanakianana ny Filohan'i Tonizia , Zine El Abidine Ben Ali. Ny hafa mihevitra fa ny korontana mitranga any Tonizia dia hanome hevitra ny vahoaka any amin'ny firenena Arabo hafa hangataka fanavaozana ara-toekarena sy ara-politika.

Libanona: Mpikambana iraikambinifolo tao amin'ny Kabinetra nametra-pialàna, governemanta voaongana

Vaovao lehibe maro avy amin'ny tontolo Arabo no azo tamin'ity hariva ity satria toa hoe hirodana ny governemanta Libane, nanaraka ny fametraham-pialàn'ny mpikambana 11 tao amin'ny kabinetra. Ireo mpikambana ao amin'ny kabinetra, ny mpikambana rehetra na ireo mpiara-dia amin'ny Hezbollah, dia nametra-pialàna noho ny tohan-kevitra avy amina tatitra iray nataon'ny Firenena Mikambana mikasika ny famonoana an'ilay praiminisitra Libane teo aloha, Rafiq Hariri

Malezia: Mamaly Fanontaniana ao amin'ny Twiter ny Praiministra

  13 Janoary 2011

Ny tenifototra #tanyanajib, izay midika hoe ‘anontanio an'i Najib’ amin'ny teny Malay, dia lasa lohahevitra ifanakalozana ao amin'ny twitter tamin'ny Talata lasa teo. Izany dia mifandraika amin'ny filazàn'ny Praiministra Maleziana, Najib Razak fa hoe hamaly ioreo fanontaniana alefan'ny mponin'ny aterineto ao amin'ny twitter izy.

Korea Avaratra: Mitombo ny Fitarainan'ny Vahoaka

  11 Janoary 2011

(Ny rohy dia amin'ny teny Anglisy sy Koreana) Nitatitra ireo teratany Koreana Tavaratra fa ao anatin'izao olan'ny tsy fahampian-tsakafo izao ary ny fifandimbiasan-toerana efa an-dàlana, maro ny vahoaka Koreana Tavaratra no mandefa ny tarainan-dry zareo mikasika ny fianakaviana Kim, hoy ny Daily NK manoratra [ko], Koreana Tavaratra iray monina ao ...