Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Avrily, 2016
Ireo Tsy Manantsinin'ny Panama Papers (Taratasin'i Panama)
"Tena azo takarina tsara ny faniriana miely patrana momba ny hisian'ny mangarahara manodidina ny olan'ny fandosirana hetra. Kanefa, mipoitra ny fanontaniana raha misy olona tsy manantsiny voatohintohina vokatr'io dingana natao io."
Ho An'ireo Mpampahalala Vaovao, Torohevitra Voavao Momba Ny Fandrakofana Resaka Famonoantena Avy Amin'ny Rosiana Mpanivana
Mifototra amin'ireo torolàlan'ny OMS ny torohevitra aroson'ny Roscomnadzor ho an'ireo media mpampahalala vaovao Rosiana mitatitra momba ny olan'ny famonoantena, saingy mila "asa bebe kokoa" mba hifanaraka amin'ny lalàna Rosiana.
Tsy Misy Mifanaraka Amin'ny Fotopinoana Mihitsy Ny Fomba Ataon'ireto Pretra Rosiana Ireto
Manadihady momba nipetrahan'ny angidimby iray hafahafa tao amin'ny arabe iray migodàna tao ivelan'ny tanàna ny biraon'ny fampanoavana ao amin'ny distrkan'i Nizhny Novgorod. Lahatsary azo avy amin'ny Dashcam ary ahitàna lehilahy manao fitafiana toy ny pretra
Nosy Sanafir Sy Tiran Mahabe Resaka, “Namidin” i Sissi Filoha Ejiptiana Amin'i Arabia Saodita
Nametraka fitoriana momba io fihetsika io ireo mpisolovava, tamin'ny filazana fa ny fanapahankevitr'i Sisi hamotsotra ireo nosy Sanafir sy Tarin ao amin'ny Ranomasina Mena ireo, tsy nahazoana ny fankatoavan'ny Parlemanta, dia "tsy araka ny lalàm-panorenana."
Haj Agha No iantsoan-dry Zareo Ahy — Filalaovana Ny Revolisiona Iraniàna
Tantarain'ilay mpamorona lalao, Navid Khonsar, ao anaty lalao iray ny Revolisiona 1979 tao Iràna . "Ny famoronana lalao tahaka izao dia manome vintana hanolorana ny tantara tsy ho toy ny mainty sy fotsy ihany, fa mba asiana larony. "
Mofomamy Mafanan'ny Hazofijaliana, Fombandrazana Ao Karaiba Rehefa Andro Paka
"Mofomamy mafanan'ny hazofijaliana! mofomamy mafanan'ny hazofijaliana! denaria iray, denaria iray ny roa, mofomamy mafanan'ny hazofijaliana!" Tian-dry zareo ao KAraiba ity fombandrazana mafilotra rehefa Paka ity.
Ben'ny Tanàna Ao Belgrady, Manohana Ny Lehiben'ny Polisy Manembantsembana Ny Asan'ny Mpanao Gazety
Nolavin'i Mali, ben'ny tanànan'i Belgrady ny hanatanteraka ny fitakian'ny Mpanelanelana handroahana ny lehiben'ny polisy kaominaly, izay nanembantsembana ny asan'ny mpanao gazety.
Nomen'i Liberiana Hotantanan'ny Orinasa Iray Amerikana Tsy Miankina Ny Fanabeazana Fototra
"Ny fieritreretana fotsiny ny sekoly ho toy ny toerana hianarana mamaky teny dia mety ho hevitra voalanjalanja ihany ho an'ny firenena iray izay ny ankamaroan'ny ankizy ao aminy no tsy afaka manatratra na dia izay fotsiny aza."
Praiminisitr'i Polonina Maniry Fandraràna Mafimafy Kokoa Ny Fanalànjaza, Ka Dia Nofenoin'ny Vehivavy Famaritana Mazava Tsara Ny Atao Hoe Fadimbolana Ny Kaontiny Amin'ny Media Sosialy
Tamin-kanihany no namalian'ny olompirenena Poloney ny ezaky ny governemantan'izy ireo hanaraka maso ny vatany. Ny fomba nataon'izy ireo: fanekena tanteraka ny fitsabahan'ny praiminisitra amin'ny fahasalamana ara-pananahan-dry zareo
Fandefasana Ho An'ny Fitondràna Miaramila Ao Thailand, Midika Fiantsoana Hikomy Sarinà Tsatokaty Mena Ao Amin'ny Facebook
"Mampiseho ny tsy fahaizany mandefitra amin'ireo tsy mitovy hevitra aminy ny fahatahoran'ny fitondrana miaramila Thai an'ilay tsatokaty plastika miloko mena, ka tonga hatrany amin'ny teboka manamarika ny hadalàna tanteraka."