Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Marsa, 2016
Fampitahàna Ny Toepiainana Anaty Fonja Ao Frantsa Sy Madagasikara
Ny fiainan'ireo voafonja ao Madagasikara sy Frantsa
Miverina An-Dalambe Indray Ny Hetsika Libaney “Maimbo Ianareo”
Valo volana taorian'ny nidinana an-dalambe hanoherana ny fitombon'ny fako misavovona ao Libanona, tsy mbola mivaha ihany ny olana. Niverina an-dalambe indray ireo mpanao hetsipanoherana androany 12 Martsa.
Fandriampahalemana ao Kolombia, Faran'izay Akaiky Indrindra
Ao anatin'ny dingana farany ary, enga anie, tsy iverenana intsony, amin'ilay zotra ho amin'ny fandriampahalemana, ezahan'ny governemanta kolombiana ny mijery sahady ny any aorian'ny ady, amin'ny alàlan'ny famadihana ilay Drafitra Kolombia ho Fandriampahalemana Ao Kolombia
Amazonia Peroviana: Miparitaka Indray Ny Solika Ao Amin'ny Lohasahandriak'i Rio Marañon
Tratry ny fiverimberenan'ny fiparitahan'ny solika ny faritr'i Marañón, mitete avy amin'ny fantsona any avaratr'i Però. Mitohy ny hamehana ara-tontolo iainana.
Mpirotsaka An-tsitrapo Manao Vonjy Voina Rehefa Loza Voajanahary, Mikolokolo Finamànana Eo Amin'ny Taiwanais Sy Japoney
" Nanampy anay ianareo, ary tsy namanareo akory aza izahay, noho izany dia mazava loatra fa tonga izahay hanampy. Ho mpinamana tsy mifankafoy i Japàna sy Taiwan manomboka izao."
Mahazo Olona Betsaka Ny Seho Iray Ataon'ireo Vazimba Teratany Ao Aostralia
Fahombiazana tsy araka izay nandrasana ao Aostralia ny seho amin'ny fahitalavitra "Black Comedy". Lazain'ilay mpiara-manoratra azy io, Nakkiah Lui, hoe ny tsiambaratelon'ny fahombiazany dia ny fanasàny ireo Aostraliana fotsy mba hiara-hitokelaka.
Tian'ireo Media Ao Shina Raha Mba Tianao Toy Ny Itiavanao Ny Ankohonanao Ny Fanjakàna
"...noho ny fitiavanao ny rainao, azonao tapahana ny fifandraisanao amin'ny amperora, saingy tsy azonao tapahana ny fifandraisanao amin'ny rainao noho ny fitiavanao ny amperora. Mahatsikaiky tanteraka ilay fomba filaza hoe "fanehoana fankatoavana ny loharano niandohana manoloana ny fanjakana."
Feo Iray Avy Any Ambava-adin'ny El Niño Ao Kenya
"Azontsika atao ny miantoka ny hihenan'ny taham-pahafatesana ateraky ny hanoanana, tondradrano na izay loza hafa ateraky ny toetrandro, amin'ny fandraisantsika andraikitra eny anivon'ny vondrom-piarahamonintsika. Ndeha hifanome tànana, Ndeha ho ataontsika io…vitantsika io raha mifanome tànana isika"
São Paulo : Vehivavy Mpifindra Monina Miteny Amin'ny Alàlan'ny Amboradara Sy Petakofehy
Fampirantiana ny asan'ny fiarahamientan'ireo vehivavy mpifindra monina ao Amerika Latina, amin'ny alàlan'ny taokanto "arpillera".
Mpanakanto Mpanao Sary Mandefa Fanentanana Ety Anaty Aterineto Ho ‘Fanafahana Ny Media’ Ao Malezia

"Tsapanay fa tonga izao ny fotoana ho an'ny Maleziana mba hitakiana ny fahalalahan'ny media sy ny aterineto, raha jerena tamin'ireo fanafihana faramparany nanjo ny fahalalahana maneho hevitra eto Malezia."