Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Oktobra, 2015
Toy Ny Hoe Ranomandry, Nefa Dia Poizina Be ity Roatra Eo Ambonin'ny Farihy Bangalore ity
Ao amin'ny farihy antsoina hoe Bellandur no tena miforona ireo roatra ao Bangalore, India, farihy izay hatry ny ela no efa ivarinan'ireo rano maloto sy loto simika tsy nisy fikarakaràna sahaza akory.
Tantaran-Jazavavy Etiôpiana Nanohitra Ny Fakàna An-keriny, Sy Ny An'ireo Mpisolovava Nanavotra Ny Fiainany
Midika hoe "fahasahiana" ny "Difret" amin'ny fiteny Amharic. Sarimihetsika iray mitondra io anarana io no mitantara ny tantaran-jazavavy Etiôpiana iray izay nalainà lehilahy an-keriny mba hoterena hanaraka ny "fanambadiana" araka ny fomban-drazana.
Horohorontany Mahafaty Nanana Hery 7.5 Nampihovitra An'i Azia Atsimo
Manodidina ny 180 ireo olona notaterina hoe maty tany amin'ny faritra.
Maninona No Ny 12 Oktobra Andro Nahitàna An'i Amerika No Ankalazàn'i Espaina Ny “Fetim-pireneny”?
Ao Espaina, iadiana hevitra ety anaty tambajotra sosialy ny fankalazàna ny 12 Oktobra.
Iraniana-Amerikana Filoha Vaovaon'ny Twitter, Ny Fanehoankevitry Ny Iraniana
Tokony havelanareo any i Omid Kordestani. Na Iraniana iray aza tsy arahany. Azafady, aza dia mitabataba tahaka izao satria fotsiny hoe Iraniana izy. Misaotra.
Meksikana 3 Tsy Manaiky Hangina Noho Ny Tsy Rariny
Mopera Solalinde, poety Javier Sicilia, ary ny fianakavian'ireo 43 mpianatra nanjavona tao Ayotzinapa, samy manandratra ny feony manohitra ny olan'ny herisetra sy ny tsimatimanota ao amin'ny firenena.
Inona Momba Anao Manokana Moa Rehefa Siriana Ianao?
"Ahoana no fomba hanavahana ny ampahany an'ny tena manokana sy ny an'ny daholobe ao anatin'ny habibianao manoloana ireo izay te-hamono anao fotsiny noho ny ezakao hametraka ny zonao manokana sy ny an'ny daholobe?"
Inona Ny #Aldub Ary Ahoana No Ironana Be Ao Amin'ny Twitter Isanandro?
Babon'ny Aldub daholo ny fon'ireo Filipiana manerana ny tany, tantaram-pitiavan'olon-droa foronina alefa amin'ny fahitalavitra, izay lasa tranga ety anaty media sôsialy.
Nitety Firenena Sivy izy Handosirana Ady—Vao 12 Taona Monja Izy Tamin'izany
Vao 12 taona i Gulwari Passarlay tamin'ny fotoana nandefasan-dreniny azy hiala an'i Afghanistan ho any Angletera noho ny tahotra tao aminy. Nanoratra boky iray mitantara ny diany izy.
Mba Hahatsapàny Tsara Ny Manjo Ireo Mpitsoa-ponenana, Alemàna Mpanao Lalàna Mifanome Tànana Ao Anaty Sambo Fingotra Fanavotana Aina
Nikarakaràn'ny See Watch fotoana iray ireo parelmantera izay mitàna ny fahefana afaka manapaka momba izay ho tohin'ny fiainan'ireo mpitsoa-ponenana mitady fialofana ao Alemaina, hahatsapan'izy ireo hoe toy ny ahoana izany mitaingina sambokely tsy azo antoka izany.