Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Avrily, 2015
Politika Sosialy Ao Shina: Nataon'ireo Kisary Famantarana Malazan'ny Sarimiaina Ho Zava-Mahafinaritra
Kisary famantarana: manefy fitondrantena “sivily” ary hanapariaka fenitra vaovao mikasika izay fitondrantena azo ekena eny imasom-bahoaka, amin'ny fikendrena manokana ireo mpifindra-monina vaovao vao tafakatra an-tanàn-dehibe ary sambany no hifampizara ireo toerana natao ho an'ny rehetra
Misy Sahady Hira Rap Natao Ho An'ireo Tanora Mitafy Toy Ny Tantely Mampandihy Vody Ao Rosia
Nanova ny sariny tao amin'ny VKontake ny sasany tamin'ireo tanora any Orenburg, VKontake ilay tambajotra be mpampiasa indrindra ao Rosia, ho lasa teny mivaky hoe, “Tsy mila miady izahay, Mandihy no ilainay"
Minisitry Ny Emira Arabo Mitambatra Miteny Amin'i Pakistana: “Mila Maka Safidy Mazava Ianareo Mikasika Ny Ady Ao Yemen, Raha Tsy Izany…”
Mety hovidian'i Pakistana lafo ny fijoroany "mifanipaka sy manjavozavo" momba ny ady tarihan'i Arabia Saodita ao Yemen, hoy ny minisitra iray aoamin'ny Emirà Arabo Mitambatra, tao amin'ny Twitter.
Ejipta: Lalàna Manavakavaka Momba Ny zom-pirenena. Afaka Manome Izany Ho an'ny Vadiny Ny Lehilahy Ejiptiana, Fa Tsy Afaka Ataon'ireo Vehivavy Kosa Izany
Raha toa ireo lehilahy Ejiptiana afaka mamindra ny zom-pireneny ho an'ny vadiny, tsy afaka manana zo hanao tahaka izany kosa ireo vehivavy Ejiptiana. Mivoady hitolona hanovàna io lalàna io i Salma El-Daly, mpampiasa Twitter.
Ela Ny Ela, Navotsotr'i Shina Ireo Dimy Mpiaro Vehivavy
Saingy tsy mbola malalaka izy ireo. Mbola ho eo ambany fanaraha-mason'ny polisy hatrany izy dimy, mandritry ny herintaona.
Havandra Tsy Amin'ny Fotoanany Misarika Saina Ho Amin'ny Tarainan'ireo Ao An-tobin'ny Palestiniana Mpitsoa-ponenana
Nitatitra firotsahana ranomandry tsy amin'ny fotoanany ataoGaza androany ireo mpisera amin'ny aterineto. Ny sasany milaza fa havantra fotsiny izany. Fa ho an'ny maro dia ny zavatra iaretan'ireo 108.000 tsymanana hialofana ao Gaza sy ireo voatery nafindra toerana no tonga ao an-tsiny avy hatrany
“KaiKai News”, Manofana Tanora Ao Sierra Leone Hamokatra Lahatsary Fanadihadiana
Mandrisika ny tanora Sierra Leone amin'ny alàlan'ny fanofanana azy hamokatra lahatsary fanadihadiana ny KaiKai News.
Ahoana No Tsy Hanoratana Momba Ny Smartphones Sy Espaina
Ho fiarovana ny zon'i Espaina ho voalaza araka ny tena izy—ary ny maha-mpiankin-doha amin'ny smartphone azy toy ny olona rehetra ihany.
Voabahana Ao Iran Ve Ny Global Voices ? Sady Eny NoTsia.
Voabahana ao Iran ny Globalvoicesonline.org ankehitriny. Saingy azonao atao ny mandingana ireny sivana amin'ny aterineto ireny ary miditra amin'ny tranonkalanay amin'ny fanampiana hoe "https://" ery amin'ny fiandohan'ny rohy. Ahoana ny amin' izany?
Tena Ambany Tokoa Ve No Fihevitry Ny Japoney Ny Amerikana?
Indro kelin'ny mpandrafitra tsinjon'ny USA Today tao anatin'ilay fitsapankevitra iray vaovao nataon'ny Pew ho fampitahàna ny fomba fifampijerin'ny andaniny sy ny ankilany eo amin'ny Japoney sy ny Amerikana, ka nataony ho lohateny lehibe.