Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Novambra, 2013
An'aliny Tao Amin'ny Facebook Nitehaka An'i Javad Zarif Ilay Mpanao Fifanarahana Momba Ny Niokleary Tao Iran
Iraniana an'aliny no nandefa fanehoankevitra fiderana tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Iraniana ho fisaorana azy nahavita fifanarahana momba ny niokleary
Sangy Ratsy Twitter Taorian'ny Vaky Bantsilana Momba Ny Fitsikilovan'i Aostralia Ny Filoha Indoneziana
Kendan'ny vomanga nasesiky ny tànany ilay mpanao tetikady politika taorian'ny nampiasàny ny Twitter hanehoana hevitra mikasika ny disadisa eo amin'i Aostralia sy Indonezia taorian'ny vaky bantsilana momba ny resaka fitsikilovana.
Taorian'ny Loza Voajanahary Haiyan, Mitaky Fanampiana Sy Rariny Ho An'ireo Niharan'ny Fiovàn'ny Toetrandro i Filipina
Raha mbola mitohy mangataka fanampiana noho ny fiantraikan'ilay rivodoza mahery vaika Haiyan i Filipina,maro koa ireo Filipinos no nangataka ireo mpitondra erantany mba hiatrka ny fiovaovan'ny toetrandro
Mikatona Ve Ny Raharahan'ireo Niharan'ny Fampihorohoroana Rosiana?
Matin'ireo hery manokana Rosiana sa voasambotry ny sivily Dagestani ilay atidoha nikotrika ny fanapoahana baomba tao Volgograd ?
Kitapom-Panampian'ny FMI Ho An'i Pakistan, Mitondra Sondro-bidim-Piainana Mampanaintaina
Raha toa i Pakistana miezaka ny hanao izay hahafalifaly ny FMI amin'ny fampihenana ireo tohana ara-bola ataony, fampiakarana ny vidin'ny herinaratra sy , nanaka-danitra kosa ny fiakaran'ny vidim-piainana, tena nisy fiantraikany mavesatra tamin'ireo olom-pirenena tsotra.
Mifarana Ny “Ady Anaty Twitter ” Ho Amin'ny Fitondrana Ao Ozbekistana
Naaton'ilay zanakavavy mahafatifatin'ny filoha Ozbeka ny kaontiny Twitter izay fampiàsany namosahany ireo ady fitondrana ao Ozbekistana sy ny lamba maloton'ny fianakavian'ny filoha.
Bisikilety: Vahaolana Ho An'ny Arabe Ao Damaskaosy
Saripîka anjatony mampiseho ireo Siriana lahy sy vavy mivoy bisikilety no mameno ny tontolon'ny tranonkala. Fantaro ny antony.
SARIPIKA: Tantara Fohy Dimy Mikasika Ny Siriana Mpitsoa-ponenana
Saripika dimy milaza tantara no nofidian'i Rami Al Hames ho enti-mandravaka ny fiainana mafy sy ny tena zava-misy lalovan'ireo Siriana mpitsoa-ponenana lavitry ny trano fonenany.
Asa Vaovao Tsy Manahirana Loatra Ho An'ilay Rosiana Minisitry Ny Fiarovana Voaroaka
Valim-pitia ho amin'ny fahanginany ao anatin'ilay raharaha ratsy mikasika kolikoly goavana ve ny fanendrena vaovao natao ny Minisitry ny Fiarovana teo aloha?
Notapahan'i Satirist Bassem Youssef, ilay Ejiptiana Mpanao Hatsikana, Ny Fifanarahany Tamin'ny Fahitalavitra
Nanapa-kevitra ny hanapaka ny fifanarahany tamin'ny CBC, fahitalavitra nampiantrano ny sehony ilay Ejiptiana mpilalao hatsikana, Bassem Youssef. Mitohy ny tantara taorian'ny nanesorana ilay seho tao amin'ny fahitalavitra