avylavitra · Aogositra, 2012

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Aogositra, 2012

Azo iainana Tsara Ve Any Amin'ireo Tanan-dehibe Afrikana ?

  20 Aogositra 2012

Fanadihadiana iray nataon'ny The Economist Intelligence [en] momba ireo tanàn-dehibe eran'izao tontolo izao azo iainana tsara (ny tatitra manontolo amin'ny endriny pdf) , no manolotra hoe amin'ireo tanàna 10 sarotra iainana indrindra eto ambonin'ny tany, 6 no aty Afrika. Kanefa, misy fandaharana iray hafa mampiseho fa sambatsambatra kokoa any amin'ny firenena afrikana sasantsasany noho ny any amin'ny firenena eoropeana maro

Paragoay: Tolona Sy Fandrahoana Mahazo Ny Tanin'ireo Teratany Aché

Rising Voices  20 Aogositra 2012

Noheverina ho iray volana fitàran'ny firavoravoana ny volana Aogositra taorian'ny namindràn'ny governemanta Paragoaiana tany eo amin'ny 4600 hektara tamin'ny tanindrazany naverina tamin'ny vondrom-piarahamonin'ireo Aché ao Kuetuvy. Kanefa, mbola misy fifandirana ifanaovana amin'ireo vondrona tantsaha izay milaza fa tokony notapahana tamin' ity tany ity no nanembantsembana ity fotoam-piraovravoana ity.

Pakistana: Mitohy Ny Famonoana Ikendrena Ny Shiita

  20 Aogositra 2012

Ny 16 Aogositra 2012, nisy olona mitam-piadiana nanakana fiabe mpitatitr'olona tao Mansehra, nisintona Silamo Shiita 20 ary namono azy ireo an-kitsirano. Tranga fahatelo nikendrena ny vondrom-piarahamonina Shiita tao Pakistana io tato anatin'ny 6 volana. Mpikirakira aterineto no manamarika hoe : "Eritrereto raha hoe notanterahana tao anaty fandrindrana maty paika ny famonoana ireo voalohany nokendrena tao #Pakistan, mety tsy ho nisaona ny tao #gilgit akory isika androany!"

Sénégal : « SunuCause », Tranonkalan'ny Maha-Olona

  18 Aogositra 2012

Ilay andianà Senegaly bilaogera izay namorona ny #sunu2012 mba handrakotra ny fifidianana filoham-pirenena natao ny Febroary 2012 tamin'ny alàlan'ireo tambajotra sosialy, dia nirotsaka nandray anjara aminà asa fanehoam-piraisankina, tamin'ny fananganana ny SunuCause. Ny tanjona dia ny hanaitra ny sain'ireo mpikirakira aterineto amin'ireo olan'ny fiarahamonina

Manome Fialokalofana An'i Julian Assange Mpanorina Ny WikiLeaks i Ekoatera

  17 Aogositra 2012

Taorian'ny fiandrasana ela, nanambara i Ekoatera fa hanome fialofana ara-politika an'i Julian Assange mpanorina ny WikiLeaks. Ao amin'ny masoivohon'i Ekoatera ao Londona i Assange amin'izao fotoana. Naresaka be ny Twitter niaraka tamin'ireo fanehoan-kevitry ny olon-tsotra sy ireo mpifanandrina mivantana amin'ity raharaha ity, toa ny WikiLeaks, Julian Assange, ary ny Birao Britanika misahana ny Raharaham-Bahiny sy ny Tany mampiasa na miteny Anglisy "Commonwealth".

Iran, Israely: ‘Tsy Vonona Ny Ho Faty Amin'izay Adinareo’

Avy amin'ny lohateny lehiben'ireo fampahalalam-baovao mahazatra dia tahaka ny eo an-tokonan'ny ady i Iran sy Israely. Mitohy mandrahona hanafika ireo foto-drafitrasa nokleary iraniana ireo mpanao politika Israeliana, ary ireo manampahefana Iraniana kosa mitanisa ireo teny fanentanany hatrizay milaza ny "hanjavonan'i Israely eo amin'ny sarintany". Nefa arakaraky ny fitomboan'ireo sahoan-dresaka hisian'ny ady eo amin'ny roa tonta, no itomboan'ny hafanam-po mikatsaka fandriam-pahalemana ihany koa

Arabia Saodita : Miaro Ny Haja Amam-Boninahitry Ny Vehivavy Siriana?

Ny 11 Aogositra dia nandefa bitsika i Bader Al Domiat avy any Arabia Saodita fa misy Siriana vavy mananontena manodidina ny 300 eo ho eo mitady vady. Niteraka hatezerana teo amin'ireo Saodiana mpikirakira aterineto ilay hafatra, izay niala tsiny tamin'ireo Siriana rahalahiny ary nanameloka mafy an'i Al Domiat, izay avy hatrany dia nampihantona ny kaontiny tao amin'ny twitter.